🎉 Miankina amin’ny inona ny fahasambaranao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🎉 Miankina amin’ny inona ny fahasambaranao ?

Mahafinaritra anao ve ny mahita ireo olona izay nialoha lalana anao tamin’ny sehatra sasany ry namako ?

Mety mitsiriritra azy ireo angamba ianao indraindray, sa tsy izany ?

Tahaka ny tsotsotra ny fiainana ho an’izy ireo : tsy manana olana izy rehefa mitrosa any amin’ny banky, manana fifandraisana amin’ny olona izay nofinofisinao izy, mandeha miala sasatra imbetsaka isan-taona izy ireo… ary mbola feno maro hafa koa !

Eny tokoa, mahafinaritra izay rehetra izany rehefa Andriamanitra no manome ry namako. Fa tsy kanto anefa ny fiainana toy izany raha tsy Andriamanitra no nanome azy !

Ny Mpanjaka Solomona dia nilaza tamin’ny fotoan’androny hoe : “Ary koa, ny olona rehetra izay omen’Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin’ny fisasarana, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 5.18)

Fa andeha hiverenantsika ny Habakoka, izay ifantohantsika tamin’ity andiany ity. Tadidintsika fa ity farany dia tena diso fanantenana tamin’ireo olona nanodidina azy, izay tsy nampiseho fahatahorana an’Andriamanitra na kely aza ! Mangalatra izy ireo, mandrava, mihomehy sy tsy manakora ny hafa. (Habakoka 1.7-11)

Ry namako, hitantsika fa mbola izany foana no mitranga amin’izao indrisy !

Voalaza eto fa : “Izany heriny izany no andriamaniny.” (Habakoka 1.11)

Eny tokoa, rehefa “mety” ny zavatra rehetra, mora kokoa ny mifaly eo anoloan’ny fandraisan-tsary sy miteny hoe : “Izaho no nahavita ireo rehetra ireo.” Rehefa mety ny zavatra rehetra, dia mahafaly tanteraka anao ny fahatongavanao amin’ny fetim-pianakaviana, miaraka amin’ny fiara tena mihaja, mba hahazoanao dera avy amin’ireo akaiky anao : “Jereo ny zava-bitako.”

Misy zavatra iray izay mila soratanao ao amin’ny fonao, na manan-karena ianao na mahantra, na mahomby ianao na takona tsy hitan’ny olona, ry namako : 

Ny fahasambaranao dia tsy miankina amin’ny zavatra anananao, fa iza no anananao !

Tsy miankina amin’izay vitaNAO, fa Ilay nanome anao izany !

“… Fa ny fonenan’ny marina dia tahìny kosa… Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.” (Ohabolana 3.33-34)

Misy mahita ianao – ary tiana ! … ary faly Andriamanitra rehefa mihazona fahatokiana ianao, sy mibanjina Azy foana : “rehefa mety ny zavatra rehetra, na “tsy misy mety”.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!