🙌 Anehoy ny Voninahitrao aho !
Arak’izay efa noresahantsika faraparany, niaina zava-mahagaga maromaro ny Zanak’Israely tsirairay avy. Nisokatra taminy ny Ranomasina Mena ka afaka namakivaky izany izy ireo, ary tsy tratry ny hamandoana na ny kely aza. Namoaka rano avy tao amin’ny vatolampy Andriamanitra ka nandatsaka mana avy any an-danitra ho azy ireo mba hisy hohaniny isan’andro. Naneho ny tenany tamin-kery teo amin’ny Tendrombohitra Sinay Andriamanitra, ary nanome azy ireo lalà na sy didy.
Kanefa dia mbola nimonomonona foana ireto vahoaka, nanakiana matetika an’i Mosesy ary nitaraina hoe mbola ratsy noho ny niainany fony izy ireo tany Egypta ny zava-nisy. Noho izany dia nilaza izao tamin’i Mosesy Andriamanitra hoe : “dia ho amin’izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dĂ lana Aho.” (Eksodosy 33:3)
Angamba tsy tena hisy fiantraikany loatra ho an’olona tia kely izany teny izany, raha toa ka ho an’ny tombontsoany manokana no hitadiavany an’Andriamanitra : ny zava-dehibe dia ny fidirana ao an-tany Kanana… Kanefa ho an’i Mosesy dia sarotra inoana fotsiny izao izany. Ho azy ny tany Kanana dia ilay fanatrehan’Andriamanitra, ilay hany azony atonina sy resahina mivantana (Eksodosy 33:11).
Izay no nahatonga an’i Mosesy nilaza hoe : “Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala aty.” (Eksodosy 33:15). Nihaino an’i Mosesy Andriamanitra ary notanterahiny avokoa izay fangatahany rehetra nambarany Azy, hatramin’ny vavaka nataony manao hoe “Ary hoy Mosesy : Mba ampahitao ny voninahitrao aho.” (Eksodosy 33:18). Naniry mafy an’Andriamanitra i Mosesy, hany ka tiany ny hiroboka tanteraka amin’ny Fanatrehany!
Ry namako, maniria fatratra an’Andriamanitra ! Izy no hanome antom-pisiana ho anao, ao Aminy irery no hiadanan’ny fanahinao. Manomboka izao, mitadiava Azy mihoatra noho ny hatramin’izay ary aoka Izy handrakotra anao amin’ny Voninahiny. Mihaino ny vavaka ataonao Izy ary te hanome fahafaham-po ny hetahetanao Aminy !
Sarobidy ho an’Andriamanitra ianao.