❤️ Inona no ho hitan’Andriamanitra ao am-ponao?
“… dia maniry aho ny hanangana ivon-toerana ho an’ny vehivavy mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo indray andro any.”
Oay, manonona mafy izany teny izany – manoloana fakan-tsary – tena tsy nampoiziko!
Hazavain’ny Baiboly tsara anefa ny antony nitrangan’izany tamiko “tamin’izany fotoana izany”. Voalaza hoe : “fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” (Matio 12:34). Raha ny marina, ny fikasana hanampiana ireo vehivavy ireo amin’ny alalan’ny andrim-panjakana toy izany dia tonga tao an-tsaiko matetika …
Fa tonga dia nipetraka ny fisalasalana : “Inona no hotenenin’ny hafa?” Vao 24 taona monja aho tamin’izany fotoana, ary zara raha mba afaka nandoa ny hofan-tranoko. Ny tetikasa toy izany dia mihoatra lavitra noho izay mba efako…
Na izany na tsy izany, hitan’Andriamanitra ny foko…
Tsy voatery ho tsapanao izao dia izao izany ry namako. Manompo “Andriamanitra Izay mahita.” anao ianao (Genesisy 16:13)
Tsy mijery anao Izy ka hiteny hoe “Hahavita hanangana ivon-toerana ho an’ny vehivavy mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo ve ny namako, amin’izao toe-javatra misy azy izao? Azoko ankinina aminy ve ny tetikasa toy izany?” Tsia, Andriamanitra dia mahita mivantana ny fonao ary mametraka izao fanontaniana manaraka izao : “Inona no antony manosika ny namako? Moa ve izy te hanao izany noho ny fitiavana Ahy sa fitadiavana sitraka amin’olona?”
“Rehefa mahita ilay Fitiavana ao am-ponao Andriamanitra dia hanolotra zava-tsoa ho anao isan’andro Izy.”
Tsaroanao angamba ilay tantaran’i Samoela tamin’izy nanendry mpanjaka vaovao, ka i Eliaba no naseho azy voalohany. Ity farany dia tena nanana ny endrika sahaza ny ho mpanjaka. Saingy izao no nambaran’Andriamanitra taminy :
“Fa hoy Jehovah tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (I Samoela 16 :7). Rehefa nahita an’i Davida, ilay faralahy, i Samoela vao resy lahatra fa “lehilahy ho Azy (Andriamanitra)” izy (I Samoela 13:14)
Ry namako, mahita anao Andriamanitra. Ary finaritra Izy mahita ilay nofinofy izay hahafaly Azy mitsiry ao anatinao!
Ho Azy, na toy inona na toy inona ny fahefan’ny volanao, ny endrikao ivelany, na koa izay fahaizanao. Aza adinoina “Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.” (Matio 19:26)
Ny fanontaniana hamaranako azy ry namako dia hoe “Inona no ho hitan’Andriamanitra ao am-ponao?”