đź‘‘ Misatro-boninahitry ny fahombiazana ve ianao?
Tsy nahatsikaritra ve ianao ho nisatro-boninahitra nandritra ireo volana lasa ireo ry namako? Mety ho tsy mbola niroborobo tahaka izany ny asanao – izay iriako ho anao tokoa – nefa koa mety ny mifanohitra amin’izay no nitranga…
Fa na nahafinaritra na tsia ny fotoan-dasa, tiako ho tsapanao ny tena zava-dehibe indrindra: tsarovy fa mahita anao Andriamanitra, ary hitany ihany koa ny fihetseham-ponao manoloana ny fahombiazana na koa ireo faharesena…
Tena nahomby ve ianao tato ho ato satria tena niasa mafy, sa noho ianao nahatanteraka asa iray manokana izay nitarika anao ho amin’ny fahombiazana?
Namaky ity Tenin’Andriamanitra iray ity aho vao haingana, ary tena nanohina ahy manokana izy ity:
“Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin’ny nanaovany sampy moana? Lozan’izay manao amin’ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin’ny vato moana hoe: MitsangĂ na! Hampianatra va ireo ? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny. Jehovah dia ao amin’ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!” (Habakoka 2:18-20)
Saingy izao, matetika isika dia manadino fa ilay firavoravoana manetsika antsika rehefa mahomby dia tsy mba misy lanjany, raha toa ka mihoatra lavitra noho ilay firavoravoana ho an’Ilay Nahary antsika.
Ilay Nahary anao no goavana noho ny asa-tananao!
Dia tahak’izany, raha toa ka afaka mahita ny asa-tananao ianao, dia afaka mahita anao ihany koa Ilay Nahary anao.
Satria Izy “no Andriamanitra Izay mahita;” (Genesisy 16:13)
Hahita ilay zanany izay midera Azy noho ny fahombiazana ve Izy, sa ilay manandra-tena noho ny asany ?
Manasa anao aho hamerimberina izany teny rehetra izany ao am-ponao ankehitriny, sy hisaotra Ilay Nahary izao rehetra izao!