đ Ilay Tena izy !
Mahagaga ny fifaliana tsapanâi Davida mikasika ny zava-drehetra momba an’Andriamanitra. Na tao anatinâny fotoan-tsarotra aza izy, dia nifikitra taminâAndriamanitra taminâny heriny rehetra, araka ny hitantsika miverimberina ao aminâny Salamo.
Mpanjaka i Davida, nefa tsy nisalasala nanokatra ny fony sy nampiseho ny tena maha izy azy teo imasonâny hafa. Anisanâny ohatra tsara indrindra taminâizany ny fahatongavanâny fiaranâAndriamanitra tao Jerosalema.
Hoy ny Baiboly : ââŠDia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaranâAndriamanitra⊠taminâny fifaliana. [âŠ] Nandihy taminâny heriny rehetra teo anatrehanâny Tompo i Davida. [âŠ] Davida sy ny taranak’ Isiraely rehetra nampakatra ny fiaranâi Jehovah taminâny hoby sy ny feon’anjomara.â (2 Samoela 6:12-15).
Azonao sary an-tsaina ve izany ? Mpanjaka mifaly sy mandihy toy ny zaza eo anatrehan’ny olona rehetra. Tsy sary mahazatra izany, kanefa … tena i Davida tokoa ! Mpanjaka be herim-po, nahery taminâny ady sady be voninahitra, nefa tsy natahotra nampiseho ny tena maha izy azy, na nanatanteraka zavatra tsy mbola nisy nanao hatraminâizay.
Ny tsy fahatahorany ny hevitry ny hafa, mbaminâny fitiavany anâAndriamanitra sy ny herim-pony, dia nisintona ny fitahianâAndriamanitra teo aminâny fiainany ! Ary izany no nahatonga azy ho mpanjaka tian’ny olona indrindra teo aminâny tantaranâny Isiraely.
Raha ny marina, ny faniriany hitondra ny fiaranâAndriamanitra dia nanome antoka fa ho feno fifaliana sy fanajana anâAndriamanitra ihany koa ny olona rehetra.
Ry namako, Andriamanitra dia miantso anao ho marina sy tsy hatahotra izay lazain’ny hafa na eritreretin’ny hafa. Te hamporisika anao aho anio mba hanao izay rehetra asain’Andriamanitra ataonao, ary hanaisotra ny fisehoana ivelany na ny tahotra ny âizay holazainâny olonaâ eo aminâny fiainanao. Aza matahotra ny hijoro amin’ny maha izy anao, ary avelao ny fitiavanao an’Andriamanitra hiditra ao am-ponao sy hitarika ny dianao rehetra.