⚠️ Hitsin-dalana mampidi-doza!
Efa impiry moa ianao no namaly soa ny ratsy ? Zavatra mahafinaritra, sa tsy izany ? Fa raha mbola manohy manao ratsy anao ilay olona dia tsy mora ny miezaka mitazona ny fanaovana soa aminy…
Niharihary isan’andro ny fitahian’Andriamanitra ny fiainan’i Davida, ary tena tia azy ny vahoaka ka nanomboka nialona azy i Saoly. Noho izany antony izany, dia nitady hamono azy indroa tao an-dapa i Saoly. Ary rehefa nandositra i Davida, dia imbetsaka i Saoly sy ny miaramilany maromaro no nanenjika azy mba hahafaty azy.
Davida kosa etsy an-daniny dia afaka namono an’i Saoly indroa miantoana, izay afaka nanova tanteraka ny toe-javatra nisy azy ! Azony natao ny namono an’i Saoly, tamin’ny fanenjehana, dia ho lasa mpanjaka izy, satria niandany taminy ny vahoaka.
Kanefa, tsy voataona tamin’izany i Davida. Hentitra ny fanapahan-keviny izay nambarany tamin’i Saoly: “... ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tànako amin’ny tompoko aho, fa voahosotr’i Jehovah izy..” (1 Samoela 24:11).
Nanome voninahitra an’i Saoly foana i Davida, ary ambonin’izany rehetra izany, dia navelany hitarika azy handray izany fanapahan-kevitra lehibe izany Andriamanitra. Tsy nilefitra tamin’ny faneren’ny olona nanodidina azy izy ! Tsy te hanao hitsin-dalana i Davida, ka tsy namaly faty na nandeha tamin’ny lalana toa mora kokoa. Hitantsika omaly fa mamitaka indraindray ny fisehoan-javatra…
Ry namako, omeo voninahitra foana ny hafa, na dia heverinao fa tsy mendrika izany aza. Aza mamaly ratsy ny ratsy, fa katsaho hatrany ny hitahy sy hanome voninahitra ny hafa amin’ny fomba rehetra azo atao. Izany dia hanokatra ny varavaran’ny Lanitra ho an’ny fiainanao !