đź‘Ł Mivoaha avy ao amin’ny boatinao!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź‘Ł Mivoaha avy ao amin’ny boatinao!

Omaly isika niresaka mikasika ny herimpo nananan’i Davida handreseny an’i Goliata. Anisan’ny fanalahidy nampandresy azy ny sainy tia karokaroka : niala tamin’ny fomba fanao mahazatra izy.

Raha toa ka nanandrana nanao ady tanana tamin’i Goliata i Davida, ary tsy nanana fiarovana afatsy ny fiadiany, dia tsy ho nandresy mihitsy izy. Fa Davida kosa dia nisaina mihoatra ny seha-piadiana : nanaiky ho tarihan’Andriamanitra izy hiatrehany an’i Goliata, tamin’ny alalan’ny vato dimy monja sy antsamotady, izay tena voafehiny tsara.

Izao no navalin’i Davida an’i Goliata : “Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.” (I Samoela 17 : 45)

Niasa tam-pinoana i Davida ! Na dia heverina ho zava-poana ary izany, ilay finoany sy ny fanapahan-keviny hifikitra amin’Andriamanitra no nahatonga azy nandresy an’i Goliata. Ny sainy tia karokaroka koa dia nahatonga azy hiady amin’ny fomba miavaka, izay tsy nahombiazan’ny hafa. Izay fanalahidy manokatra ny varavaram-pitahiana izay dia lasa tonga tamin’i Davida foana nandritry ny androm-piainany. Nitady an’Andriamanitra fatratra tamin’ny fony izy, ka dia nasehon’ny Tompo azy izay tokony natao rehetra.

Tsy hahazo vokatra miavaka ianao raha toa ka mikiry manao izay mahazatra. Raha te higoka ny fandresen’ny Tompo amin’ny lafim-piainanao rehetra ianao, dia tsy mahazo manalavitra Azy ary mamela Azy hitondra ny dingana tsirairay, mba hahazoanao fisainana vaovao.

Ry namako, fotoana izao hivoahanao avy ao amin’ny rafitra voapetraka ! Mivavaka aho anio mba hanolo-tsaina anao Andriamanitra, mba hahazoanao vahaolana vaovao ho an’ny olana misy, sy hevitra hanatsaranao ny fifandraisana Aminy, ary koa mba hanomezany anao ny Fahendreny hampiharinao izany.

MihazavĂ  na aiza na aiza aleha,

Fahagagana ianao!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!