🎠Mazà na dia fitaka ny endrika ivelany…
Efa nahatsapa ve ianao hoe misy olona sasany manambany anao ? Fahatsapana tena mahasosotra izany, satria raha toa ka avela ho mitsiry fotsiny ao anaty, dia mety hahatsapa tena ho ambany isika, ho tsy mahavita azy, ho tsy misy lanjany akory aza.
Mahafinaritra ahy ilay tantaran’i Davida tamin’Andriamanitra niantso azy ho mpanjakan’Israely. Ny mpanjaka tamin’izany, i Saoly, dia nivily tamin’ny lalan’ny Tompo, ka dia voatery nanendry mpandimby hafa Andriamanitra ho eo amin’ny seza fiandrianana.
Ka dia nentiny ho any an-tranon’i Jese i Samoela mpaminany, mba hanosotra ny iray amin’ny zanany lahy ho mpanjaka. Nampahafantarin’i Jese azy ireo ny zanany, niantomboka tamin’ny lahimatoa : Eliaba. Nanana ny endrika mpanjaka tokoa izy, ary hery sy hambo-po tahaka ny mpanjaka rehetra. Angamba hitan’i Samoela ilay olona mendrika indrindra handimby an’i Saoly ! Saingy tamin’izay fotoana izay, nilaza taminy Andriamanitra hoe : “fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (I Samoela 16 : 7)
Raha ny fomba fijerin’olombelona, olona mendrika ny ho mpanjaka i Eliaba, saingy ho an’Andriamanitra dia tsy olona araka ny Fony izy. Hitan’i Samoela tsirairay ny zanak’i Jese… ankoatran’i Davida, izay tsy inona fa mpiandry ondry, mbola tanora ary mahatehotia : mifanohitra tanteraka amin’ilay mpiady mahery sy matanjaka notadiavin’i Saoly ! Nefa dia i Davida no nofidian’Andriamanitra.
Eny, mety ho fitaka ihany ny endrika ivelany. Ianao koa mety hahatsapa ho sorena rehefa tsy manaja anao araka ny antenainao ny olona… Saingy, raha ny marina dia tsy izay fanajan’ny olona anao tsy akory no maha ianao anao : ny fankasitrahan’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra (II Timoty 2 : 15)
Ry namako, tsy mijery ny endrika ivelany Andriamanitra, fa ny fonao ! Manomboka izao, mivavaka aho mba hisokatra ho an’Andriamanitra ny fonao. MamelĂ Azy hanatanteraka zava-tsarobidy amin’ny fiainanao sy hanomanany anao amin’izay asa rehetra iantsoany anao.