🤔 Samy miahiahy isika rehetra…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤔 Samy miahiahy isika rehetra…

Te hamporisika anao aho mba ahatsapa ny fanirian’ny fonao ary hanatanteraka izany. Noho izany, dia hojerentsika akaiky ny tantaran’i Gideona ao amin’ny bokin’ny Mpitsara. Izy ihany koa dia nametraka fanahiana ny amin’ny drafitr’Andriamanitra amin’ny fiainany. Manantena aho fa hitarika anao hahita ny fahagagana miafina ao ambadiky ny fanirianao izao anio izao…

“’Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin’izao rehetra izao izahay ?“(Mpitsara 6:13)

Valio am-pahatsorana ry namako, mametraka fisalasalana ianao indraindray ? Nahoana Andriamanitra no mamela fijaliana be dia be hitranga ety amin’izao tontolo izao, na amin’ ny manodidina anao ?

Adinontsika indraindray fa tsy nilaza mihitsy Izy hoe : “Ho mora ny zava-drehetra”, fa kosa hoe : “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33). 

Raha toa ka toa “ara-dalàna” eo imason’Andriamanitra ny fiainanao ka mizotra milamina, mety hisy hanakana ny nofinao ve ? Ny ahiahinao ve, sa ny fisalasalanao, sa ny tenanao mihitsy ? Manome toerana ny hakiviana ve ianao ry namako ?

Rehefa naniraka an’i Gideona hamonjy an’Israely Andriamanitra, dia tsapan’i Gideona ny fahalemeny. Fa Andriamanitra nefa dia nahita izay napetrany tao aminy mba hanatanterahana izany iraka izany. “Hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely?” hoy i Gideona : “’He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko.” (Mpitsara 6:15).

Fantatrao ve izany karazana fisainana izany ry namako ? Fantatrao ny nofinofinao ary tonga saina ianao hoe : “ mbola tanora loatra aho, na efa antitra loatra !”

Tsy manam-bola aho, tsy ampy fanohanana aho. ”…

Eo anoloanao ity safidy manaraka ity :

na hijanona eo amin’ny toerana misy anao ianao, ao anatin’ny fisalasalana sy tsy fahafahana, na handray fanapahan-kevitra hanomana ny tenanao amin’ny toerana vaovao (ny nofinofinao!).

Ny valiny nomen’Andriamanitra an’i Gideona dia omeny ANAO koa: “Homba anao Aho” (Mpitsara 6:16).

Ry namako, izaho koa dia nanana nofinofy kely maro teo amin’ny fiainako ary ny tsirairay amin’izy ireo dia tsy maintsy notanterahina tamim-pahatokiana, izay vao nahita ny vokany.

Afaka manomboka amin’ny fitokiana amin’Andriamanitra aho, amin’ny fahafantarana fa Izy no hanome ilay nofy nosoratany ato am-poko ! Hoy indray Izy tamiko : “Homba anao Aho”. Mitana ny fampanantenany Izy… ary “fa ny fahalemeko no fahatanjahako” (2 Korintiana 12.10).

Amin’ny lafiny inona no tokony hialanao amin’ny fisalasalanao anio ?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!