đŸ„œMitandrema tsara !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đŸ„œMitandrema tsara !

Nandritra ny andro maromaro dia nizara teboka tena manan-danja taminao aho momba ny fomba handresena ny fakam-panahy. MamelĂ  ahy hamintina azy ireo aminao :

  • Te hanafaka anao Jesosy : tsy hoe tsy misy fanantenana intsony ny aminao
  • Tsy misy fakam-panahy tsy manan-tsiny izany. Ampiasain’ny fahavalo ny fakam-panahy mba hanakanana anao tsy hanatanteraka ny planin’Andriamanitra ho an’ny fiainanao.
  • Atsaharo izany ! MialĂ  amin’ny fakam-panahy, ary aza avela ho ivon’ny fiainanao izany.
  • Aza miady amin’ny fakam-panahy : mandosira azy ary mialĂ  aminy !
  • MazĂ na ianao dia manana finiavana mihoatra lavitra noho izay eritreretinao.
  • Manorita fetra ! Misy vokany ny fahotana ary tsy afaka misangy amin’Andriamanitra ianao. Noho izany, ahetseho ny finiavanao hanatsahatra ny fahotana.
  • Banjino Jesosy sy ny Fampanantenany ho an’ny fiainanao, ety an-tany sy any an-danitra. Tsinontsinona eo anatrehan,Andriamanitra ny zavatr’izao tontolo izao.

Te hamarana amin’ny fanalahidy iray aho, izay tena zava-dehibe ho an’izay rehetra ataontsika ety amin’izao fiainana izao : aoka isika hiambina.

Izany no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany : “Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery” (Marka 14:38).

Raha toa ianao nanaraka ireo dingana samihafa tao ho ao dia azoko antoka fa efa nanomboka niaina fandresena nanoloana ny fakam-panahy izay nanjo anao ianao. Na izany aza, tsy tokony hitarika anao hampidina ny fiambenana mihitsy izany fa vao mainka aza tokony hampiambina anao misimisy kokoa.

Ny zavatra tsy fatao indrindra rehefa miady dia ny manambany ny fahavalo. Noho izany, na handresy fakam-panahy aza ianao dia tsy maintsy hiezaka haka fanahy anao amin’ny fomba hafa hatrany ny fahavalo. Tena ilaina tokoa Ă ry ny manaraka ireo toromarik’I Jesosy : mila miambina isika ary miaina anaty tontolom-bavaka. 

Toy izany ihany no ahafahantsika mamantatra ny fanafihana sy ny planina izay omanin’ny haizina ho antsika. Toa ny ambaran’ny andalan-tsoratra iray ao amin’ny Baiboly manao hoe : “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo” (1 Korintiana 10:12). Mila mandinika tsara ny zava-miseho eo amin’ny hazakazaka izay ataontsika isika sady mihaino tsara ny feon’Andriamanitra mba tsy ho tafintohina amin’ny zavatra tsy ampoizina.

Ry namako, sokafy ny maso ary mitandrema tsara hatrany ! Amin’izany dia mamporisika anao aho hanokana fotoana irery miaraka amin’Andriamanitra isa-maraina, hiresahana am-po Aminy ary hihainoana izay tiany lazaina aminao. Hanampy anao hanokatra ny fijerinao sy hamantatra ny fomba handresena ireo fakam-panahy amin’ny fomba mahomby izany fifandraisana lalina izany.

Handeha hatoky Azy fa fantany izay ataony ! 😉

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!