đ´ââ ď¸ Ilay tetikâady lehibeâŚ
Araky ny hevitrao dia nahoana ny fahavalo no mifofotra haka fanahy antsika ? Inona no tombontsoany aminâizany ?
Raha maniry ahatakatra izany isika dia mila fantatsika fa misy tontolo ara-panahy izay manana tetikâady ratsy hanakana ny Fanjakanâny Lanitra tsy hihitatra eto an-tany. Satria rehefa tsy mihitatra ny Fanjakanâny lanitra eto an-tany dia hanam-potoana ny aizina haka fanahy ary hanjaka eto.
Ezahinâny fahavalo aminâny fomba rehetra ny hanakanana anao tsy hahita ny herinao ao aminâi Kristy sy ny mety fam irapiratanao aminâny Hazavany. Mampiasa karazana lainga sy teny mahataona izy handentehana anao anaty ota, ka tsy hanatanterahanao ny anjara voatendry efa nomaninâAndriamanitra ho anao.
Jereo ny lazainâny Baiboly mikasika ireo fakam-panahy natrehinâi Jesosy tany an-tany hay : âAry rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha. Ary Jesosy niverina tamin’ny herin’ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin’ny tany rehetra manodidina ny lazany..â (Lioka 3:13-14)
Voamarikao ve hoe inona ny vokatry ny fanoheranâi Jesosy ny fakam-panahy ? Feno ny herinâny Fanahy Masina ny fiainany, ary nanomboka nampiely ny Fanjakanâny Lanitra teo aminâny manodidina Azy. Ny aizina dia nanana tanjona manokana dia ny hoe : ho lavo aminâny ota Jesosy ka tsy ahatanteraka ny asam-pamonjeny.
Rehefa tratry ny fakam-panahy ianao dia ezahinâny fahavalo inoanao fa tsy misy akony goavana ny nataonao, tsy ho voakasika ny ara-panahinao ary zavatra kely mandalo ireny ka tsy ilaina asiana tombam-bidy. Aza mino izany lainga izany ! Mifanohitra aminâizany satria : ezahiny hilentika anaty karazana ota sy fanamelohana ianao ka tsy hiaina ny herinâAndriamanitra ary tsy hahatanteraka ny anjara voatendrinao.
Izany mihitsy no niainako nandritry ny taona maro naha-voafatotra ahy taminâny fakam-panahy maro : nanakana ahy taminâny fifandraisako taminâAndriamanitra ireo ota ireo. Ary rehefa nohafahana aho dia afaka ny nanavaka ny aizina izay niafina tao ambadikâizany ary ireo ezaka maro nataonâny fahavalo hamitaka sy hamatotra ahy.
Ry namako, tsy misy fakam-panahy tsy manan-tsiny izany : tanjona iray daholo ny antony dia ny hamono sy handringana anao.
Anio, mangataha aminâny Tompo ny hampahitany anao mazava ireo fakam-panahinao ary ataovy lisitra izany. Hiasantsika izany lisitra izany ato anatinâny andro manaraka. Fa mandra-pahatonga izany dia afaka mivavaka aminâny Tompo ianao mba hanafahany anao aminâny otanao.
Sarobidy loatra aminâAndriamanitra ianao !