đ¨ Fakam-panahy re âzao !
Nisaintsaina karazana paikady maro ny fahavalo handravana ny fiainantsika ary ampiasainy manokana aminâizany ny fakam-panahy ahatratrarany ny tanjony.
Hatry ny fony mbola kely dia voasintona handeha aminâizay voarara isika. Inoako fa efa samy nahatsapa herinaratra isika rehefa nikasika ny tsatoka na dia efa noteneninâny ray aman-drenintsika tsy hikitika izany aza, efa impolo kely!)
Anisanâny vokatry ny fahalavoanâny natiorantsika izany. Hoy ny Baiboly hoe âfa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy.â ( Jakoba 1:14)
Ny hevitra fonosinâio andalana io dia tena mahaliana. Jereo ange ny teny ampiasaina e :
- Filana : tsy hoe izay filanâAndriamanitra na ny izay apetraky ny fahavalo anatintsika fa ny filantsika izay mivaona aminâny sitrtaponâAndriamanitra.
- Tarihinâny filana : tena mampitsiriritra izy ireo ary lasa inoantsika fa tsy azo lavina. Manjary lasa izany no zavatra iray hifantohantsika ka toa lasa ivonâny zava-drehetra.Â
- Fitahiny : zary mandresy lahatra izany ka manosika antsika hanao izany, mitarika antsika ary lasa manota isika.
Rehefa tratry ny fakam-panahy isika dia lasa inoantsika fa tsy azo ihodivirana izany ary tokana ny safidintsika dia ny hilavo lefona, nefa lainga izany ! Ao aminâi Jesosy no hananantsika fandresena aminâny endrika fahotana rehetra sy ny fakam-panahy. Ary tsy resaka fotsiny izany fa efa niainako imbetsaka teo aminâny fiainako !
Ry namako, ao aminâi Jesosy ny fahafahana ! Voafatotry ny fahotana noheveriko ho sarotra avotsitra aho kanefa dia nanaraka dinganâny fanafahana tsara ary tafavoaka taminâizany aho. Ary ny tena nahafinaritra dia nandritrâizany dingana nolalovana izany dia nifantoka taminâireo fanalahidy izay namela ahy hibata ny fandresena taminâny planinâny aizina aho.
Fanalahidy tiako zaraina aminao izany mandritry ny andro manaraka. Tsy fantatro raha voasedra matetika aminâny fakam-panahy ianao, na misy olom-pantatrao toy izanyâŚfa mandritry ny andro manaraka eto dia maniry hanafaka anao aminâny fakam-panahy aminâny fiainanao aho.
Vonona ve ianao hanomboka ny andro aminâny fahatsapana fahafahana aminâizany zioga izany?
Hanao zavatra sarobidy aminâny fiainanao Andriamanitra !