đŹď¸ Inona no evohanao ?
âManana âinhalateurâ ve ianao?â Fanontaniana napetraky ny mpivarotra fanafody tamiko izany rehefa nanazava azy aho fa voanâny sery be !
Nitsiky aho, satria tahaka ny maheno anâi mamanay izany aho miteny amiko foana hoe : âmila manao evoka ianaoâ. Tena manana âinhalateurâ tokoa aho, fa ny tena marina tsy dia ampiasaiko loatra izy io⌠Hakamoana e !
Raha manontany anao aho ry namako : âManana Baiboly ve ianao?â, na tsaratsara kokoa hoe âAfaka mifandray aminâi Jesosy ve ianao?â, dia hamaly ianao â enga anie ka âenyâ. Inona no hifandraisanao Aminy ?
Nanao anâizay fanamarihana izay taminâny olona Jesosy, taminâny fotoanâandrony :
âDinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainanaâ (Jaona 5.39-40)
Manokana fotoana miaraka aminâi Jesosy ve ianao mba hiaina ilay fiadanana izay tiany omena anao izao ? Mino aho fa tsy hamaly isika hoe : âEny faâŚny hakamoanaâŚâ
Rehefa mandray fanapahan-kevitra ny hitady ILAY nifidy antsika voalohany efa hatry ny ela isika, dia hijery tahaka Azy, ary hiaina ilay fiadanana izay Izy irery ihany no afaka manome azy !
âInhale truth â exhale life!â (Miaina fahamarinana sy fiainana), io no lohahevitry ny fihaonambe natrehiko taona vitsivitsy lasa izay tany Angletera.
âMiaina ny fahamarinana â manome fiainanaâ
Izay avelanao hiditra ao anatinao, izay manentana anao, dia hivoaka aminâny kalitaonâny fiainana.
Te-hanentana ny fahamarinana, ny tanjaka ary ny fahafahan’Andriamanitra mahatalanjona ve ianao ?
Manentana, sy mampita aminâny manodidiana anao aminâny fanomezana ? Vitanao izany ! Ary ho ataonao aminâny fifaliana ! Satria te hitondra fanantenana eto aminâizao tontolo izao Andriamanitra aminâny ALALANAO. Anio, ary mihoatra noho ny hatraminâizay !
Noho izany dia mamporisika anao aho mba hanome lalana an’i Jesosy, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana ny tenin’Andriamanitra.
Hainao ve ny dikanâny evoka ?
Ilay entona ranomafana izay nasiana akora manasitrana dia hanamaivana ny aretina ao aminâny taovam-pisefoana.
Inona araka ny eritreritrao no hataony manaraka raha manao mihoatra noho ny âmanafana ny ranoâ ianao ? (izany hoe ny herinâAndriamanitra).
Iaino izany dia ho talanjona ianao ry namako.