☝Maniry zavatra avy aminao Andriamanitra…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ☝Maniry zavatra avy aminao Andriamanitra…

Inona no ataonao voalohany rehefa maharay vaovao tsara ianao ?

Maika ianao ny hitantara izany amin’olona ! Ary rehefa maharay vaovao ratsy ? Izany mihitsy, lazainao amin’olona !

Napetrak’Andriamanitra tao amintsika io filana fifandraisana io. Dia tsy hoe tsy amin’ny antony fa te hifandray aminao Izy, toy ny nitiavany nifandray tamin’ny olon-drehetra hatrany am-boalohany. Izany no antony namoronany antsika. Te hiaraka amintsika Izy !

Tamin’ny andron’i Adama sy Eva dia mahita isika fa : “Ary nandre an’i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin’ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro.” (Genesisy 3:8)

Teo mihitsy Andriamanitra !

Mihevitra ve ianao fa efa nanana olana tamin’ny fitaizana ireo zanany i Adama sy Eva tamin’izany fotoana izany, ka naniry an’Andriamanitra mba hamaly azy ?

Tsia, tsy mbola nanan-janaka izy tamin’izany fotoana izany !!

Mino ve ianao fa nanontany tamin’Andriamanitra ny fomba andoavana ireo faktiorany marobe izy ireo ?

Tsia, satria nomen’Andriamanitra azy ireo ny zavatra rehetra. Tsy nanana olana ara-panambadiana ihany koa izy ireo na olana hafa.

NIARAKA tamin’izy ireo fotsiny Andriamanitra satria TE-hiaraka tamin’izy ireo. Toy izany ihany koa ho anao, te hiaraka aminao Izy !

Apetrako aminao ity fanontaniana manaraka ity : “Te HIARAKA amin’Andriamanitra fotsiny ve ianao ?”

Aoka ianao tsy ho taitra raha toa tsy afaka mamaly izany fanontaniana izany mazava tsara amin’ny hoe « eny ». Angamba mbola tsy niainanao mihitsy izany hoe inona ny zava-miseho rehefa miaraka amin’Andriamanitra na koa hoe mahafinaritra toy ny ahoana ny maka fotoana miaraka Aminy.

Raha izay no izy, dia manentana anao aho : “Raha mivavaka ianao, dia midira ao amin’ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao” (Matio 6:6).

Hahita valiny manokana amin’io fanontaniana io ianao, ary ho azonao ny mahasarobidy ny fiombonana amin’Andriamanitra. Hampitsiry ny faniriana handeha lavitra kokoa ao anatinao Izy…. Haniry handray mihoatra ianao  …ry namako.

Ndao anie e …

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!