Tsy ho lavo mihitsy ianao!
Handeha hiaraka hamerina ireo fanalahidy hitantsika tao amin’ny Salamo faha-15 isika! Izany dia hamela antsika handroso amim-pahatokiana sy tsy hianjera, amin’ny lalana mahitsy izay mitondra mankany amin’ny tampon’ny Tendrombohitra Masina :
– Miainà tsy misy tsiny, ary aza avela ho lavo ny tenanao.
– Mihazòna mafy ny Fahamarinan’Andriamanitra, ary saintsaino ao am-ponao izany.
– Mialà amin’ny fiteny ratsy, ary mitoera ho marina amin’ny fitenenana tsara ny olona rehetra.
– Miaraha amin’ny olona matahotra an’Andriamanitra, ary halaviro ny fitaoman-dratsy.
– Aoka ho mahatoky ianao, ary miainà amin’ny fahamarinana
Manome fanalahidy fanampiny ho antsika ny andininy farany amin’ny salamo izay nodinihintsika tamin’ity herinandro ity. Izy io dia manondro an’ilay “mampisambotra ny volany tsy misy zana-bola, ary tsy mandray fanomezana hiampanga ny tsy manan-tsiny” (Salamo 15:5).
Alao sary an-tsaina hoe mody avy any amin’ny toeram-pivarotana lehibe iray ianao, avy niantsena. Inona no ho tsapanao raha nisy mpiara-monina aminao nanatona mba hanome tanana anao? Azo inoana fa ho gaga ianao ary, raha mavesatra ianao, dia hanaiky ny fanampiany amim-pifaliana sy fankasitrahana.
Kanefa inona no holazainao raha ohatra ka nangataka vola kely taminao izy rehefa avy nanampy anao? Na nangataka ny ampahany amin’ny zavatra novidinao ho tambiny amin’ny fanampiany anao? Tena hahatohina anao izany! Ho hitanao avy hatrany fa tsy ny hanampy anao no fikasany, fa ny fitiavan-tena fotsiny no antony nanosika azy nanao izany.
Nantsoin’Andriamanitra isika mba hanana toetra mifanohitra amin’io ohatra io. Tian’Andriamanitra hitahy ny hafa amin’ny fontsika rehetra isika. Izany no antony hanoherany ny fitiavam-bola sy ny karazana fanararaotana atao amin’ny hafa. Poizina mahafaty ny fitiavan-tena !
Ry namako, aoka ho malala-tanana amin’ny hafa ianao, tahaka ny ataon’Andriamanitra aminao. Ny Salamo 15 dia mifarana amin’ny filazana fa “izay manao izany tsy ho lavo” (Salamo 15:5).
Nandinika ireo fanalahidy rehetra ireo isika mba hanampiana anao hanohy ny fiakarana ny tendrombohitra masina! Voamarikao ve anefa izay lazain’io andalana io? Voasoratra hoe: “Izay mitondra tena toy izany…” Noho izany dia tsy ny fahalalana ireo fanalahidy ireo ihany no resahina ao an-tsaintsika, fa ny fampiharana azy ireo tokoa!
Mandrosoa, ary matokia an’Ilay “Izay maharo anareo tsy ho lavo sy mampiseho anareo ho tsy manan-tsiny sy amin’ny fifaliana lehibe amin’ny voninahiny.” (Joda 1:24).