Voahodidina tsara ianao!
Ao amin’ny Salamo faha-15, Davida dia manome antsika hevi-dehibe iray hafa manazava ny fomba hiainana tsy ho lavo eo anatrehan’Andriamanitra. Ao amin’ny andininy faha-3 , dia ambarany fa “Tsy manendrikendrika amin’ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany” (Salamo 15:3).
Eny, rehefa manomboka mieritreritra zavatra ratsy momba ny olona manodidina antsika isika, rehefa mamela ny eritrerintsika hanakiana azy ireo , na misaina ny fomba hamaliantsika ny ratsy nataony tamintsika, dia mety hahalavo antsika izany.
Ny tena mahakasika ahy indrindra , dia ilay teny farany milaza hoe “tsy manaratsy ny namany” izy. Efa nisy fotoana ve ianao rehefa tafiaraka amin’ny namanao maromaro dia mifosa na manaratsy olona iray ianareo? Amin’ireny fotoana ireny dia mora sady mahafinaritra amintsika ny mizara resaka na tsikera izay tena mety hampiady …
Fantatro fa sarotra ny manapaka resaka toy izany, fa eritrereto kely anie: raha ohatra ka ny vadinao na ny iray amin’ny zanakao na ny ray aman-dreninao no atao resaka … dia hangina koa ve ianao ao anatin’izany? Avelanao ve izy ireo hanaratsy sy hifosa ireo akaiky anao? Ary hanampy hitsikera miaraka amin’izy ireo koa ve ianao? Mino aho fa tsy hanao izany mihitsy ianao.
Ry namako, voaantso ho fitahiana ho an’ny hafa ianao! Manana andraikitra hanalavitra izay ratsy rehetra ianao, anisan’izany ny teny ratsy (1 Korintiana 15:33). Ny fanakianana sy ny fiampangana ary ny fanaratsiana dia vokatry ny haizina hatrany. Aoka isika hijoro tsara ary hiala tanteraka amin’izany rehetra izany.
Mahafinaritra tokoa ny mandeha amim-boninahitra sy manaja ny hafa! Mandritr’ity tontolo andro ity, dia afaka manao toy ahy koa ianao raha te hiala amin’ny endrika ratsy rehetra, indrindra amin’ny teny aloaky ny vavanao. Eritrereto izao: tianao ve raha olona marina, tsy handefitra amin’izay miteny ratsy momba anao no karazan’olona manodidina anao? Moa ve tsy toy izany no atao hoe olona mahitsy sy marina eo amin’ny fiainana ? Ka noho izany, aoka ho olona toy izany ianao manomboka izao =)