đź—ˇ Alenteho ao anaty Vatolampy ny sabatra !
Ao anatin’ireo fahasarotana rehetra atrehintsika eo amin’ny lalana mankany an-tampon’ny tendrombohitra, dia misy lainga maro izay ezahin’ny fahavalo inoantsika.
Izany no antony iantsoan’i Jesosy azy hoe “rain’ny lainga” : ny devoly dia manam-pahaizana amin’ny famitahana antsika amin’ny eritreritra sy fisainana isan-karazany. Manana traikefa anjato-taona maro izy amin’ny fandavoana ny olombelona !
Rehefa misaina izany aho, dia toa tahaka ny tasy-na menaka amin’ny lalana ireo laingan’ny maizina. Hitanao ilay menaka mainty izay miraraka avy amin’ny fiara indraindray, izay tena malama be. Ny paik’adin’ny haizina dia ny hahatonga antsika ho solafaka, handoto antsika, ary hampianjera antsika avy eny an-tendrombohitra koa. Tsy isalasalana fa manao izay rehetra azony atao ny fahavalo mba hahatonga antsika ho tafintohina !
Tao amin’ilay tantara izay novakiako sy noresahiko anareo andro vitsy izay, dia tsy maintsy nandalo toerana malama ireo kristianina indraindray. Ny hany fomba tokana mba tsy hianjerany avy eny an-tendrombohitra dia ny mandetika ireo sabatra entiny ao anelanelan’ireo vato, ary ny mifikitra mafy amin’izany. Maneho ny maha-zava-dehibe ny fifikirana amin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny diantsika izany, mba tsy ho solafaka na hianjera avy eny an-tendrombohitra.
Nanohy ny salamo nataony i Davida Mpanjaka tamin’ny firesahana ny amin’ireo toetra tokony ananantsika mba hitoerana eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, amin’ny filazana ny ohatry ny olona iray izay “misaintsaina ny marina ny fony” (Salamo 15:2)
Tsara loatra izany fanehoana izany ! Io andian-tsoratra masina io dia mampianatra antsika hilaza ny marina rehefa miaraka amin’ny hafa ianao, fa ihany koa rehefa irery ianao amin’ny andavan’andronao : afaka mijoro ianao hilaza ny Fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny fonao. Ilaintsika loatra ny mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, sy ny mahatsiaro ny fampanantenana sy fitarihana avy amin’ny Soratra Masina !
Ry namako, mifikira mafy amin’ny Fahamarinan’Andriamanitra anio, ary saintsaino ao am-ponao andro aman’alina izany. Mivavaka aho mba hahafahanao mifikitra avy amin’ny fonao lalina amin’ny Fahamarinan’Andriamanitra, sy mba hanambaranao ny Fampanantenany eo amin’ny fiainanao amin’ny fotoana rehetra, indrindra ao anatin’ny aizina, ny fahasarotana sy ny lainga izay alefan’ny fahavalo eo amin’ny lalanao mba hampianjera anao.
Ny Fahamarinan’Andriamanitra anie hanodidina anao sy hitarika anao amin’ity anio ity.