🏔 Miakara eny an-Tendrombohitra Masina !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🏔 Miakara eny an-Tendrombohitra Masina !

Tsaroako taona maro lasa izay, namaky tantara mahavariana izay aho, izay namaritana ny fiainana kristiana tamin’ny alalan’ny zava-niainan’ny olona iray, izay nihanika tendrombohitra : ny Tendrombohitra Masina.

Tsy maintsy nihanika an’io Tendrombohitra Masina io ny Kristianina nanodidina azy, tao anatin’ny ady lehibe. Tsy maintsy manaraka ny fizotrany ny tsirairay, mandalo ny ambaratonga voalohany amin’ny Tendrombohitra aloha, antsoina hoe Famonjena, ary avy eo dia tsy maintsy mihanika ireo ambaratonga samihafa, ho any an-tampon’ny tendrombohitra.

Arakaraky ny niakarany no vao maika nanafahana azy; ary arakaraky ny nahazoany fandresena tamin’ ny laingan’ ny fahavalo no nitombony tamin’ ny fiombonany amin’ Andriamanitra.

Tsy maintsy mailo foana anefa izy ireo, satria na oviana na oviana dia mety ho solafaka sy hianjera amin’ny paikan’ny fahavalo, na haratra noho ny zana-tsipikan’ny fahavalo. Naniry ny ho tonga eo an-tampon’ny tendrombohitra izy ireo, izay toerana tena hahatsapana ny Fanatrehan’Andriamanitra sy hahafahan’izy ireo mahazo sary mazava ny amin’ny zava-misy.

Ny Salamo faha 15 dia milaza mazava ny momba an’io Tendrombohitra Masina io ary miantomboka amin’ny hoe : “Jehovah Ă´, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?” (Salamo 15.1) Te hiaina ao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra ihany koa ve ianao ary hianika ny Tendrombohitra masina? Raha izaho manokana dia mora kely ny valiny : ENY ! Ary tsy izaho irery angamba no maniry izany…. =)

Tsy fantatro raha voatsikaritrao fa ny Mpanjaka Davida izay nanoratra an’io Salamo io, dia tsy nanontany hoe iza no “te” hitoetra ao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, fa hoe iza no “hitoetra” tanteraka ao amin’ny Fanatrehany… Tsy faniriana fotsiny ilay izy, fa fahavononana ny hanao ny dingana rehetra ahafahana mihanika ny Tendrombohitra Masina.

Eny ry namako, fanapahan-kevitra ny mitoetra ao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra ! Ao anatin’io Salamo io, ny Mpanjaka Davida dia manome antsika ireo fanalahidy izay ahatonga antsika hiara-mandeha amin’Andriamanitra am-pahombiazana ary ny ahafantsika mitombo misimisy hatrany ao amin’ny Fanatrehany.

Ao anatin’ny andro vitsivitsy isika dia handalina miaraka ireo fanalahidy ireo, ary hojerentsika ny fomba hampiharana izany mba hihanihana io Tendrombohitra Masina io amim-pahatokiana. Vonona ho amin’izany ve ianao ? Mino aho fa amin’ny alalan’ireo fanalahidy ireo dia hanavao ny fifandraisanao Aminy Andriamanitra !

Mitondra anao am-bavaka sy ato am-poko aho ry namako.

Ary aza adinoina mandrakizay : Fahagagana ianao !  

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!