Miroboha ao amin’ny Fanahiny !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Miroboha ao amin’ny Fanahiny !

Tonga amin’ny farany andian-dahatsoratra izay niresahantsika momba ny afon’Andriamanitra isika, ary anio dia te hamarana izany amin’ny firesahana ny batisa aho.

Andeha hovakiantsiaka ny nolazain’i Jaona mpanao batisa momba an’i Jesosy : “.. Izaho manao batisa anareo amin’ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo” (Lioka 3.16)

Eny, Jesosy no manao batisa antsika amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.

Araka ny efa fantatrao, ny teny hoe “batisa” amin’ny teny grika dia mifandray amin’ny hoe asitrika.

Noho izany, tiako ireto lafiny roa ao anatin’ny andian-tsoratra masina anio ireto, satria izany no ataon’i Jesosy eo amin’ny fiainantsika : 

  • Manao batisa antsika Izy ao amin’ny Fanahy Masina, mba hilonantsika ao amin’ny Fanatrehany, ka feno Azy tanteraka isika, ary mitarika antsika Izy amin’ny zavatra ataontsika. 
  • Manao batisa antsika amin’ny Afony masina ihany koa Izy, mba hanadio antsika io afo io, ary mba hampirehitra antsika indray hanao ny zavatra rehetra amin’ny Alalany sy ho Azy.

Ry namako, avelao Jesosy hameno anao amin’ny Fanahiny sy ny Afony anio ! Tsy misy zavatra tsara indrindra eto amin’ity fiainana ity ankoatran’ny feno an’Andriamanitra mitafotafo, ary ny miaina an’io firehetana tsy ankiato ho an’Andriamanitra sy ny Fanjakany io.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!