Areheto indray ny afo !
Fantatrao ve fa ny fanomezam-pahasoavana rehetra izay azonao avy amin’Andriamanitra dia mifamatotra amin’ny afo iray ?
Izany no nolazain’i Apostoly Paoly tamin’i Timoty : “Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ny fametrahako ny tanako” (2 Timoty 1:6)
Araka ny novakianao teo dia tsy niteny azy Paoly ny mba hampiasainy misimisy ny fanomezam-pahasoavany na mba hanampiany ny ezaka nataony. Fa nanoro hevitra azy izy ny mba hamelomany indray ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra.
Ry namako, nanome anao karazana fanomezana Andriamanitra : “fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina izany, izay samy manana ny iraka sy tanjona manokana avy mba hitahiana ny hafa.” (1 Petera 4.10 )
Ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia mandrehatra antsika rehetra mba hahitana ny Fanjakan’Andriamanitra mihitatra, ary mba ho maro ny olona hiova, ho sitrana…. Mahafinaritra loatra izany !
Manontany tena angamba ianao : inona no afaka ataoko mba hamelomana an’ireo fanomezam-pahasoavana ireo ? Vakio ity andian-tsoratra masina ity : “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.” (2 Timoty 1:7).
Saintsaino :
- Ny herin’Andriamanitra hanovàna fiainan’olona amin’ny alalanao.
- Ny fahaizanao manetsika ny tenanao amin’ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavanao.
- Ireo fijoroana vavolombelona izay efa niainanao tamin’ny lasa tamin’ny fampiasanao ny fanomezam-pahasoavanao…
Ary avelao ireo teboka rehetra ireo hitarika anao hankasitraka indray ireo fanomezam-pahasoavana tsirairay sy hanonofy ny hampiasa izany ho voninahitr’Andriamanitra.
Ry namako, rehefa velominao indray ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao, dia manomboka mandeha amin’ny fifohazana ianao !
Te hivavaka ho anao aho mba hahafahanao miaina fifohazam-panahy lehibe eo amin’ny fiainanao.