Eo ambaravaranao ny fahagaganao

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Eo ambaravaranao ny fahagaganao

Reraka koa ve ianao ?

Niomana ny hatory aho… mbola vao amin’ny 6 ora sy sasany hariva ! Reraka mafy aho noho iny herinandro lava be iny, ary tsy nanana faniriana ankoatran’ny hitsotsotra teo amin’ny seza lava….

Dia teo no nisy nampaneno ny fanairana tao amin’ny varavarana. Mahalala ireny fotoana ireo koa ve ianao ?

Raha ny tena izy, rehefa ilay ianao andeha hisakafo iny no mitranga ny toy izany, ary mbola mafana ny sakafonao, na ihany koa misy sakafo eny amin’ny tarehinao na anelanelan’ny nifinao…. Tsy te hanokatra varavarana mihitsy ianao….

Ding, dong, naneno fanindroany ny fanairana…. Ok, nijery fitaratra aingana….

“Tsy maninona re fa afaka manokatra varavarana ianao…”

Inona ary ny hitan’ny masoko avy eo ? Fehezam-boninkazo tsara be!!! Waouh! Tena tsy nampoiziko !

“Misy olona te hampifaly anao” hoy ilay mpivarotra voninkazo.

Oh, izany mihitsy no tonga ato an-tsaiko mahita ity fehezam-boninkazo tsara be ity!  ( Soa ihany aho fa nanokatra varavarana, na dia mampalaelo aza ny paoziko sy bongon’ny havizanana ny masoko !)

Tonga dia ianao no tonga tao an-tsaiko !

Eny, misy olona any te hampifaly anao ry namako! Fantatrao ve hoe iza izany ?

Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.” (Apokalypsy 3.20)

Toy izany no tian’i Jesosy, haka toerana eo amin’ny fiainanao ary hampifaly anao, tsy mametraka fepetra, fa amin’ny maha ianao anao !

Aza misalasala manokatra ny varavaranao Aminy, na dia tsy manam-paniriana an’izany aza ianao !

Sokafy ny varavarana, na dia reraka aza ianao !

Sokafy ny varavarana, fa misy te hampifaly anao ! Jesosy izany !

Mandondona eo am-baravaranao Jesosy anio, ilay tia anao amin’ny fitiavana mandrakizay.

Ho gaga ihany koa ianao hahita ireo zavatra mahafinaritra izay miandry anao raha manokatra io varavarana io anio.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!