🔥Mirehitra ao anatinao ny fonao !
Te hizara andalan-tsoratra iray aminao aho, izay mahakasika ahy fatratra, dia ilay andalana miresaka momba ny fihaonan’ny mpianatra tamin’i Jesosy teny an-dalana ho any Emaosy taorian’ny fitsanganana tamin’ny maty ka nifampilazan’izy ireo nanao hoe :
« Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dà lana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika » (Lioka 24:32).
Andriamanitra dia tena miasa amin’ny fomba manokana aminao. Mafana fo Izy. Tsy matimaty na mikorontan-tsaina.
Mikasika ny lalina indrindra amin’ny maha-ianao anao Izy. Ary rehefa miteny ho anao Izy dia misy fiantraikany amin’ny fiainanao iray manontolo izany. Afaka ny hahatsapa io afo io mirehitra ao anatinao ianao, dia ilay hafanam-po ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Teniny.
Efa niaina izany ve ianao teo amin’ny fiainanao ? Izaho manokana dia mahatsapa io kasika sy afon’Andriamanitra io. Ary tsy leo izany mihitsy aho fa mila azy mihoatra hatrany !
Ry namako, rehefa miresaka aminao Andriamanitra dia tsy afaka ny tsy hahatsapa na inona na inona ianao !
Tsy fantatro izay zavatra irianao, fa izaho dia te hirehitra tsy mbola nisy toy izany ho Azy.
Te handre Azy miteny ho an’ny fiainako aho, ary maniry ilay afony izay niainan’ny mpianatra mba hirehitra ato amiko.
Noho izany antony izany dia manentana anao aho mandritra ny andro manaraka mba hamela ny tenantsika harehitry ny afon’Andriamanitra. Vonona ve ianao ?
Mivavaka aho mba homarihin’ny Fanatrehan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika tsy mbola misy toy izany ny volana manaraka !