đŸ˜« Fanambarana, ary fahalavoana !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đŸ˜« Fanambarana, ary fahalavoana !

Mahagaga ny fomba fitazonantsika, tsy nahy, ny tsara na ny ratsy eo amin’ny tontolo iainantsika

Ny Apostoly Petera no ohatra tsara indrindra amin’izany. Rehefa nanontany ny Mpianany izay lazain’ny olona momba Azy Izy dia namaly tsy am-pihambahambana I Petera nanao hoe : “Hianao no Kristy. Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16:16).

Nahazo izany fanambarana izany tamin’ny fanahiny izy, ary ny filazana nataony dia naneho ny maha-izy azy, ny fiainany manokana ary ny planin’Andriamanitra ho azy.

Fotoana fohy taorian’izay, io Petera io ihany, izay nandray ilay fanambarana avy any an-danitra sy niaina izany fotoana feno voninahitra izany niaraka tamin’i Jesosy, dia nihevitra fa afaka ny handiso ny Tompony raha nanazava tamin’izy ireo ny fomba hahafatesany sy hitsanganany amin’ny maty ity farany.

Tao anatin’ny faniriany hanampy Azy dia nieritreritra izy fa tokony hampiova hevitra Azy. Ary tsy fanahy iniany fa lasa fitaovana nampiasain’ny haizina haminganana an’i Jesosy io lafiny maha olombelona te handray an-tànana ny zava-misy io.

Hany ka tsy maintsy nanohitra ny fahavalo izay niteny tamin’ny alalan’I Petera I Jesosy nanao hoe : “Any ivohoko ianao, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona” (Matio 16 :23).

Eny, indraindray isika mamela ny maha olombelona antsika hibahana ka lasa sakana tsy nahy ho an’ny hafa sy ho an’ny tenantsika. Izany no maha-zava-dehibe ny fitandremana sy ny fiambenana, araka ny lazain’ny soratra Masina hoe : “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo” (I Korintiana 10:12).

Ry namako, iaino anatin’ny fanambaran’Andriamanitra ny andro rehetra, ary aza avela hanakana anao amin’izany ny fomba fanaonao sy ny fisainana maha-olombelona anao.

Anio, miaraka amiko ary amim-panetren-tena tanteraka, mangataha ny Fahendreny misimisy kokoa amin’ny Tompo ka aoka Izy no hitantana ny dianao rehetra, ny asanao rehetra amin’ny antsipiriany.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!