🙏🏻 In-490 !Â
Ny olona toa an’i Petera dia mampifandray ny fiainany amin’ny didy, ny lalĂ na sy ny asa avokoa.
Eny tokoa, miaraka amin’ny toetrany sy ny hafanam-pony, dia tsy nisalasala mihitsy izy nampiasa ny lalĂ na, rehefa mety aminy izany, hanereny ny hafa mba hanao araka izay tokony ho ataony.
Raha ilaina ny miady hevitra dia niady hevitra izy. Raha tsy maintsy nanapaka sofin’olona izy mba iarovana ny Tompo, dia notapahiny izany! =) Ao amin’ny tontolon’ny Manichean izay misy ny tsara na ny ratsy rehetra, na ny lalĂ na sy ny adidy, Jesosy dia nihoatra noho izay nasehon’ny fitsipika.
Nandray tsikelikely ny votoatin’ny hafatra izay notorian’i Jesosy i Petera, ary izany hafatra izany dia nanova azy tanteraka. Ny tena marina, tsy ilay hafatra fotsiny ihany fa ireo asa nataon’i Jesosy no niasa teo amin’ny fiainany.
Nahita ny Mpampianatra naka fotoana nitahiana ny Samaritana i Petera, nefa izy ireny dia olona tsinontsinona ho an’ny Jiosy. Nahita ny nanasitranany avy lavitra ilay mpanompon’ilay miaramila romana ary, fehiny izany rehetra izany, dia namela an’i Matio i Jesosy, izay mpamory hetra, hiditra ho isan’ireo mpianatra tena akaiky Azy. Raha atao hoe noharatsiana ny Samaritanina sy ny Romana manoloana ny Jiosy, ny mpamory hetra kosa mbola mihoatra lavitra noho izany !
Ao anatin’izany dingana izany, nanomboka nanova ny fon’i Petera Andriamanitra. Nanomboka namaky ny rindrim-be an’ny fanahiny ny famindram-po, ary indray andro, nanontany an’i Jesosy izy satria tena liana tokoa nanao hoe : “Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.” (Matio 18:21-22).
“Impito amby fito-polo”, in-490 izany (eny, efa azonao an-tsaina, izay no lohatenin’ny fandinihana anio ! ;). Vonona ve ianao hanisa katramin’izany tarehimarika izany ? Toa hanahirana ihany !
Mety hoe, aleontsika sy ianao aza misy ny fitsipika sy ny lalà na, mba hanoro antsika izay tokony ho ataontsika… nefa ny valintenin’i Jesosy dia mihoatra lavitra noho izany. Tsy mila mamela heloka im-pito isan’andro isika, ary tsy natao ho tsara fanahy amin’ny olona im-polo isan’andro, na koa hanana faharetana in-roambinifolo ao anatin’ny andro iray… Ny fitiavan’Andriamanitra dia mihoatra lavitra noho izany !
Ry namako, antsoin’Andriamanitra ianao mba hiaina fiainam-pitiavana tsy manam-petra, izay hamenoan’Andriamanitra anao mitafotafo amin’ny fanatrehany sy ny fitiavany ny hafa, mba ho tonga fitsipika ho anao ny mitahy, mitia, mamela heloka, manampy, mampahery… eny fa na dia rehefa toa tsy mety aza izany araka ny maha olombelona. Izany indrindra ny fitiavan’Andriamanitra antsika !
Anio, mivavaka aho mba ho tondrakin’ny fitiavan’Andriamanitra ianao, fitiavana tsy mihafahafa, ary mba isehoan’izany ihany koa amin’ny hafa, amin’ny alalan’ny fihetsikao, ny firesakao, na ny zavatra ataonao anio, sy amin’ny andavanandro.