🤓Akisano ny hevitrao ary meteza ho tarihana !
Andrea, ilay rahalahin’i Petera dia nanapa-kevitra ny hanaraka an’i Jesosy. Petera kosa mbola tsy tena resy lahatra tanteraka.
Rehefa avy nandany ny alina iray manontolo tsy nahazo na trondro iray aza Petera, dia niverina teo amoron-drano izy, reraka ary tena azo lazaina hoe sosotra noho ny fotoana very teny an-dranomasina.
Teo am-panadiovana ny haratony izy ary saika andeha haka aina no tonga tampoka Jesosy ary nangataka alalana taminy ny mba ahazoany mitory teny avy ao anatin’ny sambokeliny, eo anoloan’ireo vahoaka vory manoloana Azy. Fa tsy izay ihany, fa niteny tamin’i Petera ihany koa Jesosy manao hoe : “Mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.”(Lioka 5:4).
Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy mihitsy ! Nahatsiaro tena ho very hevitra mihitsy angamba i Petera, na mety hoe sorena kely ihany koa… Fa tao anatin’izany fisalasalany izany, rehefa avy nihaino io Mpampianatra tena miavaka io izy dia nisafidy ny hanaiky hotarihin’i Jesosy ihany avy eo.
Hoy izy namaly : “Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.” (Lioka 5:5).
Tao anatin’ny fanarahako an’Andriamanitra dia nianatra izany hoe rehefa mihaino tsara ny feon’Andriamanitra, dia matetika toa tsy misy dikany mazava izay asainy atao amin’ny voalohany.
Kanefa, isaky ny misafidy ny hankatoa izay tena tsapako ho zavatra angatahin’Andriamanitra amiko aho, dia tena miaina amin-kery ny fitahiany.
Ry namako, te hiaina araka ny lojikan’ny zanak’olombelona ve ianao sa araka izay angatahin’Andriamanitra ataonao ? Raha tsy nankatoa an’Andriamanitra i Petera dia tsy nahita ny fahatanterahan’ny herin’Andriamanitra ary tsy ho nanaraka an’i Jesosy amin’ny faniriana sy finiavana iray.
Anio, te hiresaka aminao Andriamanitra, te hitaona anao hanao dingana ara-pinoana izay hanova ny fiainanao. Vonona hiaino Azy ve ianao ? Vonona ny hamela ny lojikanao mba hanatanterahanao izay zavatra angatahiny ?