⚠️ Fiovana mampitolagaga !
Ny Apôstôly Petera dia iray amin’ireo olona fanta-daza indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Baiboly. Mpanarato, manana toetra mahery sy miavaka, izy dia anisan’ireo mpianatr’i Jesosy nisongadina indrindra hatrany am-boalohany.
Andeha hiarahantsika hofakafakaina ny fizotry ny fiovan’i Petera nandritra ny niarahany tamin’i Jesosy. Tany am-boalohany dia nandray fanapahan-kevitra tsy am-pandinihana izy, nikoropaka, niavonavona, vonona hampiasa ny sabany, na hanapa-kevitra ara-nofo be fotsiny….
Noho izany dia niasa tsy tapaka tao am-pony Andriamanitra : traikefa nifandimby niaraka tamin’i Jesosy, fahagagana niampy fahagagana, teny niampy teny, … mandra-pahatongany ho lasa apostoly Petera, ilay nampiasain’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga hanorina sy hanitarana ny Fiangonany.
Ary fantatrao ve ? Mino aho fa misy aim-panahy afaka hampiarintsika ireo lafiny maro amin’ny fijoroany ho vavolombelona.
Samy miaina ny lalantsika manokana miaraka amin’ny Tompo isika tsirairay avy. Ary tahaka ny nataon’Andriamanitra tamin’ny fiainan’i Petera, dia te hanova ny fiainantsika sy hampivoatra antsika koa i Jesosy, mba hiainantsika koa ny fahafenoan’izay nomanin’Andriamanitra ho antsika, ary mba hahafahantsika manitatra ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany .
Saintsaino ireo zavatra rehetra efa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika ! Ary vao mainka tsara kokoa ny mieritreritra ny zavatra rehetra mbola tiany hatao amintsika ;D
Manana drafitra sarobidy ho anao Andriamanitra. Nanomana zavatra tsy mampino Izy mba hahafahanao miaina izany miaraka Aminy mandritra ny dianao eto an-tany. Araka ny voalaza ao amin’ny Teniny : “Fa araka ny voasoratra hoe: “Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy’ …” (1 Korintiana 2:9).
Amen ! Eny, ry namako, Andriamanitra dia te hitondra anao any amin’ny ambaratonga ambony kokoa amin’ny fifandraisanao Aminy ! Ary noho izany dia te hanova anao Izy.
Mandritra ny andro manaraka, dia handinika ny fitaomam-panahy avy amin’ny fiovana sy ny fahagagana izay nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainan’i Petera isika. Vonona ve ianao ?
Mivavaka aho mba hanana herinandro mahafinaritra ianao. Mitondra anao am-bavaka sy ao am-poko aho.