🙌🏻 Ny fanalahidin’ny fahombiazana !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🙌🏻 Ny fanalahidin’ny fahombiazana !

Anio no andro farany amin’ity andiany ity izay nandinihantsika ilay voasoratra ao amin’ny Salamo 1. Ilay andian-tSoratra Masina nianarantsika nandritra ity herinandro ity dia nifarana tamin’ny teny fampanantenana mahafinaritra. Voasoratra hoe : “… Ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa” (Salamo 1:1-3).

Alaivo sary an-tsaina anie hoe ny zavatra rehetra ataonao dia vitanao tsara ary mahomby avokoa ? Mety hieritreritra ianao fa ho fitiavan-tena, ary tsy rariny raha maniry zavatra toy izany. Izany anefa no fampanantenana omen’Andriamanitra antsika amin’ity andalan-tSoratra Masina ity !

Eny, araka ny hitantsika omaly, Andriamanitra dia te hitahy anao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao, ary izany dia midika fa tiany hahomby amin’ny lafiny rehetra ianao.

Izany koa no voasoratra ao amin’ny epistily fahatelo nosoratan’i Jaona, ho an’ireo fiangonana, hoy izy : “Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie hianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.” (3 Jaona 1:2).

Voamarikao ve izay nolazainy eto ?  Miresaka momba ny fahombiazana amin’ny zava-drehetra sy ny fahasalamantsika. Ary ny iray amin’ireo zavatra ireo dia mamaritra ireto fitahiana ireto : ny fanambinana ny fanahy.

Afaka manao fanatsoahan-kevitra tena mahaliana isika  ao amin’ity Salamo 1 ity  sy andalana ity :

  • Rehefa miala amin’ny ratsy ianao ka mikatsaka ny hahafaly an’Andriamanitra sy hankatoa ny sitrapony, dia hahery ny sainao sy ny fanahinao.
  • Rehefa hambinina ny fanahinao sy ny sainao , dia afaka mahita vokany hita maso ianao : ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainanao dia mizotra ho azy, ary mahazo ny fitahian’Andriamanitra koa ianao.

Izany no mahatonga ireo singa rehetra ireo mifamatotra : satria ny ara-panahy dia misy fiatraikany hatrany amin’ny voajanahary.

Eny, rehefa mikarakara ny fanahinao ianao ary te  hitombo ara-panahy, dia azonao antoka fa hisy vokany tsara eo amin’ny natoraly koa izany.

Ry namako, ny fanambinana ny fanahinao dia manokatra varavarana ho amin’ny fanambinana amin’ny lafiny hafa rehetra amin’ny fiainanao.

Anio, ataovy laharam-pahamehana ao am-ponao ny fanahinao sy ny sainao. Fahano ny fanatrehan’Andriamanitra ny tenanao, tohero ny fitaoman-dratsy, ary mikatsaha ny hankatoa an’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra. Tsy isalasalana fa hanomboka hahatsapa ny fitahiany bebe kokoa hatrany ianao amin’ny zavatra rehetra ataonao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!