Te hanenika ny fiainanao ny fitahiana !
Ity misy famintinana ireo fanalahidy 3 omen’ity andalan-teny ity mba hananantsika fiainana mahavokatra :
- Mialà amin’ny ratsy.
- Mifalia amin’Andriamanitra.
- Misaintsaina izay ambarany amintsika.
Ireo fitsipika telo ireo dia manana hery hanova tanteraka ny fomba fiainanao, indrindra amin’ny maha-zanak’Andriamanitra anao.
Tsy misy fitsipika mazava harahina. Mahagaga, sa tsy izany ? Ity andalana ity dia tsy milaza fa raha mandany ora 3 mamaky Baiboly isan’andro ianao, na adiny 2 mandohalika mivavaka dia hahazo fitahiana. Tsia ! Tsotra ny anton’izany : tsy noho ny asantsika izany, fa noho ny fontsika.
Rehefa tsy mampifanaraka ny tenanao amin’izay mikasika ny haizina ianao (teboka 1), ary manomboka manana fifandraisana velona amin’Andriamanitra izay mahatonga anao haniry hanao ny sitrapony (teboka faha-2) ary hisaintsaina izay rehetra ambarany aminao (teboka faha-3) dia eo ny fiainanao no miova Fanjakana.
Mifidy ny tsy hiaina araka ny fari-piainan’izao tontolo izao sy ny andrianan’izao tontolo izao (fahavalon’ny fanahintsika) intsony ianao, fa miaina ao amin’ny zava-misy marina momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakan’ny lanitra.
Eo no manomboka miditra amin’ny zava-misy iainanao ny fitahian’Andriamanitra. Ary niharihary avy eo ireo fitahiana ao amin’ny andininy faha-3 amin’io Salamo sarobidy io : “Tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona Izy...” (Salamo 1:3).
Eny, ny fiainanao dia ho :
- Mafy toy ny hazo,
- Miorim-paka ao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra.
- Velombelomin’ny onin’ny Rano velona.
Ry namako, te hanova ny fiainanao Andriamanitra, ary te hahatonga anao hiaina fitahiana izay tsy mbola niainanao hatrizay.
Anio, tandremo ny loharanon’ny fiainanao : tapaho izay rehetra mikasika ny haizina, ary sokafy ny tenanao amin’ny fifandraisana velona sy lalina amin’Andriamanitra, amin’ny fiainana manakaiky Azy sy mifantoka Aminy. Tsy hitovy amin’ny taloha intsony ny fiainanao !