Raiso ho anao ireo fampanantenan’Andriamanitra !
Mandinika ireo fanalahidy mba hanana fiainana mamokatra sy feno fanambinana ao amin’ny Salamo 1 isika isan’andro. Hatreto dia roa amin’ireo fanalahidy manan-danja ireo no hitantsika dia ny hoe :
- Aoka isika hiala amin’ny torohevitra ratsy rehetra, ny fahotana ary ny tsikera, ka hametra ny fifandraisana amin’ireo izay manao izany.
- Mifaly isika ao amin’Andriamanitra sy ny Sitrapony lavorary ho an’ny fiainantsika.
Anio dia hijery ny fanalahidy fahatelo sady farany izay omen’io andinin-tsoratra io isika mba hidirana amin’ny fitahian’Andriamanitra. Mitohy toy izao io andinin-tsoratra io manao hoe : “eny ny lalàny no saintsaininy andro aman’alina” (Salamo 1:2).
Fanao lamaody ny « méditation », saingy matetika izy io no tsy mifanaraka amin’ny tena atao hoe « méditation » araka ny Baiboly.
Rehefa mieritreritra ny « méditation » ianao dia angamba olona mipetraka ambony tsihy avy hatrany no hitanao, miaraka amin’ny tongotra mifaningotra sy maso mikipy, izay miezaka tsy mieritreritra na inona na inona…
Tsy misy idiran’izany mihitsy anefa ny tena « méditation ». Tsy zavatra natao hanadinoina ny zavatra rehetra izany fa mifanohitra amin’izay aza ! Zavatra natao hanosika anao hisaina tsy ankiato izay avy amin’Andriamanitra sy izay asehony aminao.
Mamelà ahy hanome ohatra anao. Mifoha maraina ianao, dia manomboka mitady an’Andriamanitra : manokatra ny fonao Aminy ianao, misaotra Azy, mivavaka Aminy ary midera ny Anarany… Mihamahery tsikelikely ianao ka rehefa tsapanao ho milamina ny zavatra rehetra dia mangataka Aminy ianao hiteny aminao, hanoro anao ny Sitrapony sy ireo andinin-tsoratra tiany hovakianao.
Avy eo dia misy andalan-tsoratra tonga ao an-tsainao. Sokafanao ny Baiboly ka vakianao ary mahakasika ny fonao ireo andinin-tsoratra ireo. Maka fotoana hijerena sy handraisana naoty andiana fahamarinana mbola tsy hitanao hatrizay ianao ary tena manomboka manonona izany eo amin’ny fiainanao.
Izany no tena « méditation » : ilay misaina sy mandray mandrakariva ny fahamarinan’Andriamanitra, mandritra ny tontolo andro. Izany fifandimbiasan-javatra tsy tapaka izany dia mamela anao hitoetra eo amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra, hihaino Azy sy handray ireo Fampanantenany ary hanonona ny Fahamarinany eo amin’ny fiainanao.
Ry namako, alaivo ireo fampanantenan’Andriamanitra anio ! Tonony izy ireny ary aza mitsahatra misaina an’Andriamanitra sy ny Teniny.