👆 Atrakao ny loha !
Efa nahatsapa henatra ve ianao tamin’ny fiainanao ? Tamin’ny fotoana samy hafa teo amin’ny fiainantsika dia efa niaina traikefa tsy mahafinaritra noho ny henatra avokoa isika rehetra.
Zavatra isan-karazany no iavian’ny henatra :
- Mety ho fahotana izay tsy mbola resintsika tanteraka izany ka mameno antsika fahatsapana henatra sy tsi-fahombiazana.
- Mety ho saro-kenatra isika ka manana olana amin’ny fanehoana na ny fanatanterahana izay eritreritsika, noho ny tahotra manoloana izay mety ho lazain’ny hafa.
- Mety ho olona nanala baraka antsika tamin’ny fotoana iray ka namboraka zavatra mikasika ny fiainantsika manokana na nanao fihetsika tsy ara-drariny teo imason’ny hafa.
- Mety ho fahadisoana nataonao teo imason’ny hafa, izay namela anao tanaty henatra lalina.
Na inona na inona loharanon’ny henatra eo amin’ny fiainanao, iray ihany no tena tanjon’izany dia ny hanajanona anao ! Ny henatra dia fiadian’ny haizina izay mikendry ny hanajanona anao, sy manelingelina anao ary manakana anao tsy handroso. Tian’ny fahavalo ianao hieritreritra fa tsy mendrika, adala ary tsy misy ilana azy… mba hanakanana anao tsy handroso sy hanalavirana anao amin’ny hafa.
Ry namako, mety efa ela ianao no malemy ary ankehitriny dia mitanondrika noho ny henatra amin’ny lafim-piainanao maro. Ankehitriny kosa dia afaka ny hiala amin’izany fatotra rehetra izany ianao !
Hoy ny Baiboly : « Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako » (Salamo 3:3).
Ry namako, Tsy menatra ny aminao Andriamanitra ! Tiany hitraka sy handroso indray ianao ! Izany no horesahantsika mandritra ny andro maromaro. Vonona hiaina izany ve ianao ? =)
Fahagagana ianao !