đź’° Aza avela ho very ny valisoanao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź’° Aza avela ho very ny valisoanao !

Andro vitsy lasa izay dia hitantsika fa mitombo ao anatintsika ny fahamarinana sy ny toetra amam-panahy rehefa mandany fotoana miaraka amin’Andriamanitra ao amin’ny toerana mangina isika.

Mahafinaritra tokoa rehefa ny mandany fotoana miaraka Aminy sy ny fijanonana eo amin’ny fanatrehany no lohalaharana ho anao.

Indrisy anefa, matetika dia  manandra-tena amin’ny zavatra vitantsika isika, ary miezaka mitady sitraka amin’Andriamanitra na amin’ny olona amin’ny ataontsika.

Ao amin’ilay toko malaza ao amin’ny Isaia 58, Andriamanitra dia milaza fa ny fifadian-kanina nataon’ny zanak’Isiraely dia tsy nahafaly Azy, noho ny toeran’ny fony.

Jereo ny fihetsiky ny zanak’Israely. Nitaraina tamin’Andriamanitra izy ka nanao hoe : “Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao?”. (Isaia 58:3)

Ny toe-tsaina hafa iray ihany koa, kanefa tena nahadiso hevitra, dia ilay toetra nananan’ny Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy.

Niresaka momba izany koa i Jesosy, tamin’ny resaka manodidina ny fifadian-kanina, ka nilaza hoe: “Ary raha mifady hanina hianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.” (Matio 6:16).

Nifady hanina izy ireo mba ho marina teo imason’ny hafa, ka hahazo ny fanajany sy ny fankasitrahany.

Kanefa, eritrereto izao : ahoana no tokony ho toe-tsain’ny olona tena mitady an’Andriamanitra marina ?

  • Tsy mampiasa ny vavaka ataony na ny fotoana fifadian-kanina mba ho toy ny vola atao takalo ahazoana hanery an’Andriamanitra hanao zavatra.
  • Tsy mody milalao na mihirahira ny zavatra  natao, ka asehoseho amin’ny hafa ny hatsaram-panahy.

Mifanohitra amin’izany, dia mitana toe-tsaina feno fanetren-tena, fankasitrahana lalandava an’Andriamanitra, mikatsaka hatrany ny hitombo, ary manao izany mangingina sy amin’ny fony rehetra ho an’Andriamanitra… Tena ankasitrahan’Andriamanitra ny toe-tsaina toy izany, ka mitondra fitahiana eo amin’ny fiainantsika !

Ry namako, aza adino ny valisoa tian’Andriamanitra homena anao !

Enga anie ny zavatra rehetra ataonao dia ho vokatry ny fitiavanao, ny fahatokianao, ny fanirianao sy ny hetahetanao an’Andriamanitra, amin’ny fanetren-tena feno sy ny fitiavanao Azy.

Sarobidy amin’Andriamanitra ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!