Tokana ianao !
Anisan’ny toetra manan-danja indrindra tsara hananana eo amin’ny fiainana dia ny maha izy azy antsika.
Ety amin’izao tontolo izao dia feno fitaka, feno fihatsarambelatsihy sy ny fisafotofotoana isan-karazany, vokatry ny fahotana sy ny haizina.
Toy izany koa isika. Raha tsy mitandrina, dia mety ho voasarika ho amin’ny fiainana feno fitaka, ka ny hiafarany dia miaina anaty fanehoana ivelany isika.
Afaka mahazo ny Loharanon’ny fahamarinana sy ny fiainana anefa isika. Manana hery hanova ny fiainantsika izany, mba hahafahantsika miaina anatin’ny fahalalahan’ny fahamarinana.
Eny, Andriamanitra io Loharano io ! Tena Marina tokoa Izy, ary misy fahafahana sy fahamarinana be dia be ao amin’ny Anarany !
Mamelà ahy hilaza aminao zavatra iray : fantatrao ve fa dika mitovy amin’Andriamanitra tany am-boalohany ianao, ary tsy misy tahaka anao eto amin’izao tontolo izao ?
Miezaka mampino antsika ny fahavalo fa tsy misy vidiny isika, ary tsy maintsy mody manao zavatra isika mba ho tian’ny olona.
Fa raha ny marina, ianao dia tsy manam-paharoa eo anatrehan’Andriamanitra, Izy no namorona anao sy nanisy marika ny fiainanao : “Tokana ianao”! Satria manana anjara sarobidy sy mahagaga nomanina ho anao Izy.
Ry namako, fotoana izao hanombohantsika hiaina fiainana tena marina !
Mila zanak’ Andriamanitra tena izy sy tena marina izao tontolo izao, izay maneho ny Fitiavany tsy misy fihatsarambelatsihy sy ny Heriny isan’andro.
Mandritra ity herinandro ity dia hohalalinintsika ity fahamarinana manafaka ity, izay iantsoan’Andriamanitra mba hiainantsika.
Mino aho fa hanohina lalina ny fonao ity lohahevitra ity, toy ny nanohinany ny foko ! ;D