🤩 ManokĂ na fotoana fohyÂ
Omaly dia hitantsika ny fomba nitenenan’I Jesosy tamin’i Marta fa zavatra iray loha no ilaina ary nanampy Izy nanao hoe : “fa I Maria no efa nifidy ny anjara tsara…” (Lioka 10:42).
Nanana safidy roa izy ireo : ny iray (Marta) dia ny asa tsy miato sy ny faniriana zavatra tonga lafatra ho an’ny Tompo ; ny iray kosa ( Maria) dia ny nitoetra teo an-tongony sy nihaino Azy niteny.
Samy manan-danja ireo, saingy iray ihany no ilaina.
Alaivo sary an-tsaina hoe raha fantatrao fa ho avy any aminao ny filoha na olona manan-danja hafa, toa hadalana angamba ny handeha avy hatrany hanasa lovia any an-dakozia ka hitoetra ao ! Tsy azo eritreretina izany !
Amin’izay fotoana izay dia tsy misy manan-danja noho ny miaraka amin’io olona io.
Matetika isika no mihomehy ny fahadisoan’i Marta, saingy ny marina dia mazà na isika no manakalo tsy nahy ny Fanatrehan’Andriamanitra amin’ny asa ataontsika.
Na tetik’asa izany na adidy amin’ny fianakaviana, na hetsika ara-pilazantsara, indraindray isika dia tototry ny zavatra tokony hatao, hany ka manadino ny zavatra manan-danja indrindra, dia ny maka fotoana miaraka amin’i Jesosy.
Oviana ny farany nakanao fotoana niaraka tamin’i Jesosy mba hihainoana Azy miteny aminao ? Oviana ny farany hoe ianao sy Izy irery, ka nitoetra teo an-tongony ianao, ka nanoratra tao anatin’ny diarim-bavakao izay tonga tao an-tsainao sy nidera Azy tamin’ny mozika malefaka ?
Tamin’ny dingana samihafa teo amin’ny fiainako dia imbetsaka aho no nanana asa sy andraikitra maro ka zara raha naka fotoana niarahana tamin’Andriamanitra. Lasa Marta tsikelikely aho, sahirana sy nikorontana satria nahatsapa ho toy ny nirenireny tany an’efitra.
Tsy nitovy tamin’ilay loharano velona izay tsapako ato anatiko rehefa feno an’Andriamanitra intsony izany. Io ilay «anjara tsara» ! =)
Ry namako, misafidiana ny anjara tsara anio dia ny mitoetra eo an-tongotr’I Jesosy, mba hivavaka Aminy amin’ny fonao manontolo, hidera Azy, hamaky ny Teniny, hihaino ny feony ary hanoratra ao amin’ny diarim-bavakao…Tsy misy zavatra hafa mitondra fahatanterahana sy famelombelomana noho izany fotoana miaraka amin’Andriamanitra izany angamba !
Ary ambonin’izany dia miverina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra rehefa ataonao laharam-pahamehana izany fotoana izany ! Ka noho izany indrindra dia lasa afaka hanatanteraka ireo asanao amin’ny fomba mahomby kokoa ianao ary feno fiainana sy fifaliana.