đSaina milamina sy tony !
Ny faharetana dia iray aminâireo toetra lehibe indrindra anananâAndriamanitra. Tena manam-paharetana amintsika tokoa Izy ! Izy no Ilay Ray tsara indrindra. Manam-paharetana amintsika Izy rehefa mivily lalana isika ka lavo mandritra ny diantsika, na koa rehefa mandray fanapahan-kevi-diso.
Tena tiako ny fomba namalian’i Jesosy an’i Marta. Mety nahatsiaro ho voatafika Izy. Toa nanome tsiny Azy mantsy I Marta sady nilaza Taminy izay tokony nataony.
AzonâI Jesosy natao ny nanome valinteny maina sy feno fahatezerana anâi Marta, sady niezaka nampiseho ny fahefana nananany taminy sy taminâny hafa.
Saingy tsy nila nanao izany rehetra izany Izy. Fantatrao ve hoe nahoana ? Satria nilamina sy tony ny sainy.
Ireo fotoam-bavaka niarahany taminâny Ray sy ny Fiombonany taminâny Fanahy Masina dia nanampy Azy handahatra ireo eritreriny, ireo fihetseham-pony sy ireo fahatsapany aminâny anâAndriamanitra, ka nahatonga Azy tsy hamela ny tsi-filaminana, ny hatezerana na ny tahotra hahazo Azy.
Izany no nahatonga anâi Jesosy namaly am-pitiavana anâi Marta raha tokony ho niaro tena na nahatsiaro voatafika Izy. Hitany fa nitebiteby fotsiny ity vehivavy sarobidy ity ka tsy nahafehy ny fihetseham-pony intsony nanoloana ny fitiavana te hampifaly Azy.
Rehefa namerina ny anarany indroa Izy dia niteny tamim-patokiana mba hampiseho azy ny tena olany, nanao hoe : âMarta, Marta, maro ahina sy maro herehina hianaoâŠâ (Lioka 10:41).
Rehefa maro ireo zavatra ao an-dohantsika sy ao aminâny lisitry ny zavatra tokony ataontsika, dia mora ho anâny fanahintsika ny miady saina na mitebiteby (araka ny nolazaintsika omaly).
Ry namako, raha miaina izany ianao dia raiso ny Fahafahana izay omeny anao anio ! Mahalala ny fonao Jesosy ary te hanafaka anao aminâizany fahatsapana izany, mba hiainanao anaty fiadanam-po sy fifaliana noho ny Fanatrehany isanâandro.