🪴 Ny anjara tsara !
Efa nahatsapa tsy fahafahampo tamin’ny fiainana ve ianao ? Mino aho fa tsy amin’ny zavatra rehetra anefa. Kanefa mety misy lafiny sasany tsy vitanao ny hanova azy.
Indraindray ve ianao mahatsapa fa hazakazaka tsy anki-ato ny fiainanao ?
Matetika isika tsy manam-potoana hieritreretana kely akory. Be zavatra atao ny tontolo andro, ary tsy hitahita akory dia efa tonga ny hariva. Dia toy izay hatrany hatrany !
Miaina ao anatin’ny fiaraha-monina feno hazakazaka isika. Haingana tokoa io hafainganam-pandeha io ka indraindray tsy hitantsika izay tena zava-dehibe.
Indrisy fa tsy vaovao izany. Na dia marina aza fa toa mandeha haingana kokoa ny zava-drehetra amin’izao vaninandro izao, ny olombelona dia nanana fahasarotana foana tamin’ny fanavahana ny tena zava-dehibe sy ny tsy dia zava-dehibe.
Rehefa mieritreritra an’izany aho, dia mahatsiaro ny tantaran’i Marta sy Maria, anabavin’i Lazarosy.
Nahafantatra an’i Jesosy izy ireo ary te hampifaly Azy. Tamin’izay no “nifidy ny anjara tsara” ny iray tamin’izy ireo (Lioka 10:42), araka ny tenin’i Jesosy. Nandritra izany fotoana izany, i Marta dia tsy tonga saina akory fa tsy mety ny kajiny.
Mitranga amintsika koa izany. Indraindray ny fanapahan-kevitra noraisintsika dia mitarika raritsaina, fahakiviana, faharerahana ho antsika. Miezaka manao zavatra araky ny tokony ho izy isika, fa amin’ny farany dia mahatsapa foana fa misy zavatra tsy ampy, na tsy mety, sns.
Ry namako, mandritra ity herinandro ity, dia te hanampy anao aho hiala amin’izany toe-javatra izany, mba ho anisan’ireo izay misafidy ny “anjara tsara” koa ianao. Vonona ve ianao ?