đź‘Ź Tohizo ! Tohizo hatrany !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź‘Ź Tohizo ! Tohizo hatrany !

Amin’ny maridrefy 0 ka hatramin’ny 10, hatraiza ny fitiavanao ny zanakao (na hatraiza ny hitiavanao azy raha manana ianao)? Ny fitiavana raisintsika rehefa lasa ray aman-dreny isika no anisan’ny matanjaka sy mahery indrindra eto an-tany.

Araka ny hevitrao, hatraiza ny fitiavan’i Jesosy anao ? Jereo izay lazain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 15, ary averiko ho anao manokana izany ankehitriny :  “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo” (Jaona 15:9)  Toy ny manontany an’i Jesosy ao anatin’ny vavaka ianao hoe : “Tompo Ă´, manao ahoana ny fitiavanao Ahy?”, ary namaly izy hoe : “Hatraiza no inoanao ny fitiavan’ny Ray ahy ? Satria toy izany koa no itiavako anao.” 

Avy eo Izy dia nanohy niteny hoe : “Tomoera amin’ny fitiavako. Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.” (Jaona 15:9-10)

Maro ny olona  mihevitra fa rehefa lavo amin’ny fahotana dia tsy dia tia azy intsony Andriamanitra, nefa tsy marina izany ! Efa nomeny ny fitiavany anao, araka ny hitanao eo amin’ny tapany voalohany amin’ilay andininy. Ary mihoatra noho izany aza, dia mahery tahaka ny an’ny Ray izy io.

Raha ny marina, rehefa lavo amin’ny fahotana ianao… Tsia ! Tsy Andriamanitra no miala aminao, fa ny fahotana no mampiala anao Aminy, ka lasa sakana amin’ny fifandraisanao Aminy. Izany no mahatonga an’i Jesosy hanasa anao “hitoetra” ao amin’ny Fitiavany, ka tsy hamela na inona na inona hampisaraka anao Aminy.

Ry namako, aza avela hisy ota hisakana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra !

Mivavaka aho mba ho tapa-kevitra tokoa ianao hiala amin’izay mety ho fakam-panahy, na fahotana, na izay te hanakana ny fiarahanao amin’Andriamanitra !

Ry namako, mivavaka koa aho mba, tahaka ny apostoly Paoly, dia afaka hiteny ianao hoe:  “Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 8:38-39) Amen!

Miorena mafy amin’ny Fitiavany.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!