🪞Ianao no taratr’Andriamanitra eto an-tany
Be dia be ny olona eto amin’izao tontolo izao no manana fomba fijery diso tanteraka momba an’Andriamanitra… Nandritra ny taonjato maro, indrisy fa niasa tamin’ny fomba mandaitra tokoa ny fahavalo tamin’ny alalan’ny olona sy ny sehatra isan-karazany, toy ny boky na ny haino aman-jery, mba hanomezana endrika diso momba an’Andriamanitra.
Olona maro no mihevitra fa lozabe sy mihaingitraingitra ary manampatra fahefana Andriamanitra. Izany dia sary nalaina avy amin’ny fitondran-tena ratsy hita tamin’ny mpino sasany. Maro no mandray Azy ho manohitra na manalavitra, ary mamela antsika hiady irery eto amin’ity izao tontolo izao ity. Misy mihevitra fa hery avy amin’izao rehetra izao Andriamanitra, ary ny hafa kosa manao Azy ho zavatra noforonina fotsiny mba hampitony ireo malemy eto amintsika..
Fa ianao kosa mahalala Azy, ary fantatrao fa tsy araka izany fihevitry ny hafa izany Izy. Ny zavatra niainanao niaraka Taminy sy ny zavatra nataony teo amin’ny fiainanao manokana dia vavolombelona fa lehibe noho izay lazain’izy ireo Andriamanitra. Ary ny tsara indrindra, ny fiainanao dia afaka hikasika ny fiainan’ ireo olona diso hevitra ireo. Mety hanontany tena ianao hoe : “Ahoana no hahatonga izany?” Ny valiny : Hokasihinao amin’ny vokatra eo amin’ny fiainanao izy ireo.
Izao no nolazain’i Jesosy avy eo ao amin’ny Jaona 15 : “Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo.” (Jaona 15:8). Rehefa feno fiadanana ny fiainanao, feno fahalemem-panahy, fiahiana marina ary fitiavana ho an’ny manodidina anao, dia misy fiantraikany lalina eo amin’izy ireo izany. Raha ny marina, ny vokatrao dia manana hery handrava ny fiheveran-diso eo amin’izy ireo sy hanehoana amin’izy ireo hoe iza marina moa Andriamanitra. Mitondra voninahitra ho an’Andriamanitra izany !
Ry namako, ianao no taratr’Andriamanitra eto an-tany. Misy fiatraikany mafy kokoa noho ny teninao ny vokatrao, saingy tsy midika izany fa tsy mahazo miteny ianao. Miresaha momba an’Andriamanitra, ary indrindra indrindra, tiava tahaka an’Andriamanitra ! Avelao ny vokatrao sy ny teninao ho fitaovana tonga lafatra hikasihana ny hafa.
Fanomezan’Andriamanitra ho an’ny manodidina anao ianao.