⛑️ Miasa tsy an-kiato Andriamanitra.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ⛑️ Miasa tsy an-kiato Andriamanitra.

Efa nandeha tany amin’ny tanim-boaloboka ve ianao ? Efa imbetsaka aho no nahita azy ireny rehefa mandeha lavitra. Mahafinaritra ery ! Indrindra fa amin’ny fotoam-pahavokaran’ny voaloboka iny !

Ny toko faha-15 ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona dia mirakitra ny iray amin’ireo resaka lehibe indrindra nataon’i Jesosy tamin’ny mpianany, ora vitsy talohan’ny nanolorany ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana. Nanomboka nilaza azy ireo Izy hoe : “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra” (Jaona 15:1).

Jesosy no tena voaloboka, tena loharanon’aina izay sotrointsika, ary mamoa voa betsaka eo amin’ny fiainantsika.

Ary ny Ray ? Ny Ray no Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, ary Izy koa no mpamboly, izay mikarakara ny tany sy manondraka ny zavamaniry amin’ny fitiavana lehibe. Azonao sary an-tsaina ve izany ? Alao sary an-tsaina hoe miahy anao amim-pitiavana Andriamanitra, manaisotra ny ahitra ratsy eo amin’ny fiainanao ary manondraka anao amin’ny Fitiavany. Whaouh!

Eny, ry namako, Andriamanitra miasa tsy an-kijanona eo amin’ny fiainanao ! Mandritra ny andro vitsivitsy manaraka, dia hijery ireo fanalahidy izay hanampy anao hanana fiainana feno sy mahavokatra isika, araka ny nanamboaran’Andriamanitra izany ho anao, amin’ny alalan’ireo andininy voalohany amin’ny toko faha-15 amin’ny Filazantsaran’i Jaona. Vonona amin’izany ve ianao ?

Ry namako, sangan’asan’Andriamanitra ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!