đź Nandritra ny 25 taona ?
Efa niandry fotoana ela ve ianao vao notanterahinâAndriamanitra taminao ireo teny fikasany teo aminâny fiainanao ? Raha misy olona iray ao aminâny Baiboly afaka mahatakatra izany fahatsapana hoe miandry izany, dia i Abrahama.
Nahazo fampanantenana avy aminâAndriamanitra i Abrahama : Nilaza taminy Izy fa hanome taranaka ho azy, ary ho rainâny maro izy. Aminâny maha olombelona, ââdia tsy azo inoana loatra ny hahatanteraka izany, indrindra fa i Abrahama sy Saraha vadiny dia samy efa nandroso taona, ary i Saraha dia momba.
Na dia teo aza izany rehetra izany, Abrahama dia nanapa-kevitra ny hino aminâny fony manontolo izany fampanantenana tsy mampino avy aminâAndriamanitra izany. Fantatrao ve hoe hafiriana no tsy maintsy niandrasanâi Abrahama ny fahatanterahanâio fampanantenana io ? 25 taona ! Tsapanao ve ?
Ny Baiboly milaza fa Abrahama ârehefa naharitra tsara, dia nahazo ny teny fikasana.â (Hebreo 6:15). Ny tsy fivadihany sy ny faharetany dia namela azy hahita ny iray amin’ireo fampanantenana lehibe indrindra teo amin’ny tantara. Raha ny tena izy, dia lasa rainâny finoana sy sakaizanâAndriamanitra i Abrahama, nandritra izany fiandrasana lava izany. Tena ilaina ny miandry !
Eny, ry namako, ny faharetana no fanalahidinâny fanatanterahana ny teny fikasanâAndriamanitra momba ny fiainanao. Ny sasany aminâireo fampanantenana omeny antsika dia tanteraka eo noho eo, ny sasany maharitra herinandro, ny sasany amam-bolana, ary ny sasany aman-taonany. Teo aminâny fiainako manokana dia efa niaina izany imbetsaka aho, ary na dia naniry aza aho mba hahazo zavatra haingana kokoa, dia hitako ombieny ombieny fa tonga lafatra ho ahy foana ny fotoanâAndriamanitra.
Ry namako, Andriamanitra dia tsy nanadino ny teny fikasana nataony taminao, ny mifanohitra aminâizany aza : miasa eo aminâny fiainanao Izy ary manomana ny zavatra rehetra mba hahazoanao izany aminâny fotoana mety sy aminâny fomba tsara indrindra. Ianao, mitoera ho mahatoky aminâny fanaovana ny dinganâny finoana izay no angatahiny aminao. Mahareta, dia hahita zavatra tsy mampino ianao !
Mahatsiaro anao am-bavaka sy ao am-poko aho.