🌱 Nanondraka ireo voninkazo ve ianao androany?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🌱 Nanondraka ireo voninkazo ve ianao androany?

Tia voninkazo ve ianao? Ny vadiko tena tia an’ireny fatratra ary izy tena mahay mamboly sy mikolokolo ireny. Ny tena marina, fony izy mbola ankizy, nanana zaridaina kely ny fianakaviany, dia efa nahay namboly karazana legioma sahady izy.

Rehefa mamboly voa, ny zava-marina dia hoe : ilaina ny manana faharetana. Tsy maniry eo noho eo ny voninkazo fa misy dingana izay lava dia lava arahiny. Dia toy izay koa ireo zavatra volentsika amin’ny fiainantsika izay mihamitombo sy miteraka vokatra, na tsara na ratsy. Maka fotoana izay.

Alaivo sary an-tsaina hoe maka voa iray ianao, fa afaka hateloana, toa tsy mbola misy zavatra maniry, ka nanapakevitra ianao ny tsy hanondraka sy hikarakara azy intsony. Hadisoana be izany ! Ilay voa dia mbola mamahana ny tenany ary mitombo tsikelikely ao amin’ny miafina, ambany tany, ary indray andro, raha mahakolokolo azy tsara ianao, dia ho hitanao izy mijoro sy miseho amin’ny maha izy azy.

Tahaka izany koa ny amin’ny fiainanao ry namako, mila manana faharetana ianao mba ahitana ireo vokatry ny nafafinao. Ny Baiboly milaza hoe : “Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.” (Jakoba 1 : 4)

Tsy maintsy tanteraka ny faharetanao mba ahitanao vokatra tena tsara!

Ry namako, tohizo hatrany ny fanondrahana ireo voa novolenao mandritra ny andro iainanao. Mety hoe amin’ny fotoana iray, kivy ianao ary nihato kely ny famakianao Baiboly satria mieritreritra ianao ho tsy mahazo ny tiany ambara, na koa nilavo lefona ianao ka tsy nianatra teny iray na nandeha nikotrana na nivavaka isa-maraina intsony…

Anio, manana fahafahana ianao ny hanondraka indray ireo voninkazo rehetra! Omeo fotoana kely tsy tapaka ireny, na tsy eo noho eo aza ianao no mahita ny vokany, dia manome toky anao aho fa hamokatra zava-tsarobidy ho amin’ny fiainanao izany rehetra izany, amin’ny fotoanany.

Tsy handriko ny ahitana izay omanin’Andriamanitra ho amin’ny fiainanao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!