💠Ahoana no fiheveran’Andriamanitra anao?
Niresaka momba ny maha zava-dehibe ny fanavaozan’Andriamanitra ny saintsika isika omaly. Feno fahafenoana ny fiainantsika rehefa mametraka an’Andriamanitra ho ivon’ny zava-drehetra isika!
Nisaintsaina momba ny eritreritra isika nandritra ny herinandro , sy izay azontsika atao mba hanavaozan’Andriamanitra ny saintsika. Saingy efa mba nanontany tena ve ianao hoe inona no hevitr’Andriamanitra, ary indrindra indrindra, ny fiheverany anao?
Tsy azontsika sary an-tsaina akory ny maha-mahagaga ny fisainan’Andriamanitra. Izy no namorona izao rehetra izao. Ary ny tena zava-dehibe dia afaka mifandray lalina amin’ny olona tsirairay avy amin’ny fotoana mitovy Izy, na tamin’ny lasa , ny ankehitriny ary na ny ho avy aza …!
Ny fisainany dia feno hery, fiainana,madio, ary tsy manam-paharoa… Tsy hay hazavaina tsotra izao! Tsy manam-paharoa ny Raintsika!
Fa ny zavatra tsara indrindra dia tsy izany Fisainany izany no tena ataony zava-dehibe fa ny Fanambarany amintsika ny heviny momba antsika.
Izao tokoa no lazainy aminao: “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy.” Jeremia 29:11
Eny, tena tia anao Andriamanitra ka efa fantany talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao ianao ary efa nieritreritra hoavy be voninahitra ho anao Izy (Efesiana 1:3-6).
Ry namako, mihevitra ny tsara indrindra ho anao Izy! Tsy miampanga anao na manameloka anao Izy. Tsy mba reraka mihevitra anao Izy ary tsy mahamenatra Azy ianao. Mifanohitra amin’izany: “Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:16), ary ny fitiavany anao dia mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra“ (1 Korintiana 13:7).
Tsy mijery ny tsy fahombiazanao amin’izao fotoana izao Izy, fa mijery anao amin’ny mason’ny finoana! Hitany hoe iza no hiantsoany anao. Izany no iadiany mba hitombo bebe kokoa ao Aminy ianao, ary hahatanteraka ny anjara efa nomaniny ao am-ponao. Ahoana no iainanao izany? =)
MitsangĂ na amin-kery, ary tohizo am-paharetana ny hazakazaka miandry anao!