Manantena anatin’ny tsi-fanantenana !
Omaly isika dia niresaka momba ny hoe ahoana ny fomba ahafahana manokatra ny varavaran’ny fahagagan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao sy ny fahatanterahan’ny Fampanantenany amin’ny alalan’ny finoana…
Ohatra tena tsara amin’izany i Abrahama. Ao amin’ny Baiboly dia antsoina hoe “rain’ny finoana” izy, ary ara-drariny izany satria nisafidy ny hino an’Andriamanitra izy rehefa tsy nisy nantenaina intsony momba ny Fampanantenany.
Milaza ny Baiboly fa “na dia efa tsy nisy nantenaina aza, dia nanantena ihany izy ka nino” (Romana 4:18), ary indrindra, « satria tsy mba nalemy finoana izy, raha nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha » (Romana 4:19).
Waouh ! Nanohitra an’i Abrahama avokoa ny zavatra rehetra, saingy NISAFIDY ny hino ny fampanantenan’Andriamanitra izy, ary NISAFIDY ny tsy hamela ny finoany hihena noho ny zava-nisy.
Raha ny marina dia nanao dingana iray ambonin’izay aza izy, ary manambara ny Baiboly fa i Abrahama dia « tsy nisalasala ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra. Natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa » (Romana 4:20-21).
Eny, NANAPA-KEVITRA i Abrahama ny hamela ny finoany handresy ny sainy, ary NANAPA-KEVITRA ny hanome Voninahitra an’Andriamanitra teo afovoan’ny lohasaha sarotra izay nolalovany. Nahoana ? Satria RESY LAHATRA TANTERAKA izy fa hihazona ny Fampanantenany Andriamanitra.
Ry namako, resy lahatra tanteraka ve ianao fa hihazona ny Fampanantenany ho an’ny fiainanao Andriamanitra ? ka izany faharesen-dahatra izany dia mitarika anao ho afaka amin’ny tahotra sy ny tsi-fahatokiana ? Ary manomboka anio dia afaka ny hisaotra an’Andriamanitra amin’ny fonao manontolo ianao satria tsy hisalasalana fa efa an-dalana mankany aminao izany fampanantenana izany ?
Mety hoe tsy mbola miaina faharesen-dahatra tahaka izany ianao amin’izao fotoana izao… Raha tsy izany no izy dia tsy maninona fa ny zava-dehibe dia ianao afaka ny hitsotra ny marina amin’ny tenanao, ary hahatsapa hoe aiza ho aiza marina ny fandrosoan’ny finoanao. Hanampy anao izany hanomboka hivoatra ka hanitsy izay tokony hahitsy.
Ny fanontaniana tokony apetrakao noho izany dia hoe « Ahoana ny fomba hahatonga ahy ho resy lahatra tanteraka ? » Toy ny an’I Abrahama dia manomboka amin’ny FANAPAHAN-KEVITRA ny zavatra rehetra.