🎁 Misy fanomezana ho anao


PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🎁 Misy fanomezana ho anao


Raha aminao, inona no tena herin’ny zaza? Mazava ho azy tsy ny heriny ara-batana satria ireo vatany kely dia mbola andalam-pitomboana hatrany


Tsy ny fananarana koa satrtia ny ankizy dia tsy dia mankatoa arak’izay iriantsika. Tsy ny faharetana koa =) Fa amiko dia ny fifaliana no tena herin’ny ankizy ary tena mifindra izy io.

Matetika dia manakana antsika tsy hankafy ny anio ny vesatry ny lasa na ny fanahiana ny ho avy. Manaisotra ny tsikintsika ireny ary manakivy antsika
fa ny ankizy kosa dia mankafy ny tontolo andro satria misafidy ny hiaina ny anio izy.

Ny zanak’Israely dia niverina indray tamin’Andriamanitra ary nitoloko tamin’ny fahadisoany taloha. Nasain’i Nehemia nanao andro fety izy ireo ary nohazavainy azy ireo : “fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” (Nehemia 8:10)

Avelao ny fifalian’Andriamanitra hanavao ny herinao indray ry namako anio. Momba anao Andriamanitra, eto ary ankehitriny. Manasa anao Izy hankafy ity tontolo andro ity, hifaly ao Aminy ary hanekenao hamenoany anao amin’ny Fanatrehany.

Mahereza ao amin’ny Tompo ry namako, ao amin’ny Heriny sy ny Tanjany.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!