🔥 Tsy azo sakanana ianao!
Rehefa miresaka fiarovana mafy dia ny andinin-tsoratra masina manamarika izany indrindra amintsika (ary mety efa nanontany tena ianao hoe fa maninona mbola tsy noresahiko) dia ny Filipianina 4:13 “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy.”
Azoko antoka fa efa nandre io andinin-tsoratra masina io imbetsaka ianao e? Jereo ny nolazain’ny Apostoly eo amin’ny andininy eo ambony : “ Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.” (Fil 4:12)
Inona no tsapanao mandre izany teny izany? Ny firehetan’i Paoly dia tena loharanon’aingam-panahy. Amin’ny ankapobeny ny ambarany dia hoe : Na inona na inona mitranga, na toa inona ny vidiny, dia mifikitra aho satria fantatro fa momba ahy Jesosy ary mampahery ahy”. Wooowww, tsy mahafinaritrta loatra ve izany teny izany?
Ny tena mahakasika ahy ao amin’io andininy io dia rehefa miteny izy fa “ao amin’i Kristy” dia mahefa ny zava-drehetra isika. Ny fanalahidy dia “ao Aminy”, anilany, mihaino ny feony ary mandroso any amin’ny asainy alehantsika. Rehefa manao izany isika dia na misy endrika sakana aza manoloana antsika dia tsy azo sakanana isika.
Eny ry namako, tsy azo sakanana ianao ao amin’i Jesosy. Mitsangà na amin-kery anio ary na eo aza ny sedra sy ny sakana amin’ny lalanao dia aza mijanona. Mandrosoa ! Momba anao Jesosy. Herinao Izy.
Ny fitiavana tsy misy fetran’Andriamanitra anie hanosika anao amin’ny tontolo andro efa nomaniny ho anao.