🏃🏻 Fotoana izao ahatanjahana!
Tia mikotrana ve ianao?
Tsy fantatro na efa nahatsapa izao koa ianao, fa izaho raha efa ela no nikotrana farany ka mikasa ny hiverina indray, dia ilay andro voalohany indrindra foana no tena henjana be. Ny harerahana, ny hatsembohana, ny tsy fahampiana hakingana… tahaka ny tonga daholo ny ratsy rehetra hanome fahasahiranana ahy.
Saingy ny ampitson’iny nefa dia tsikaritro fa efa mihamatanjaka kokoa ny hozatro, ary efa maivana sy kinga kokoa aho. Tontolon’andro iray hikotranana dia ampy hitomboako amin’ny fahatanjahana!
Amin’ny lafiny ara-panahy, tahaka izany koa ny vokatry ny sedra amintsika. Izao no voalazan’ny Apôstôly Petera ao amin’ny Baiboly: “Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” (I Petera 5 : 10)
Tsy misy amintsika tia miatrika sedra na olana. Saingy mahatsiaro sambatra kokoa isika rehefa tonga ny fotoana ka mahavita miaritra azy isika! Hitantsika fa mitombo ao anatintsika io fiorenana io sy ireo hery vaovao voalaza ao amin’ilay andinin-tsoratra masina.
Ry namako, rehefa mandondom-baravarana ireo sedra sy olana, ampiasao ireo ho tombontsoa! Miasa amin’ny fiainanao Andriamanitra amin’ny alalan’ireny, ary mampitombo ny hery sy fiaretana ao anatinao miatrika azy ireny. Izy dia manampy anao hifantoka amin’izay tena zava-dehibe kokoa. Koa dia misaora an’Andriamanitra noho ny amin’ny fandreseny amin’ny fiainanao, ary mandrosoa hatrany!