馃檹 Ovay ny atm么sfera !
Inona ny paikady ampiasainao rehefa tojo fotoam-pahalemena ianao ?
Indray andro teny amin鈥檔y Oniversite dia nandalo fotoana tsy fahampiana fahatokisan-tena aho. Nanomana famelabelarana iray izahay sy ny mpianatra sasany, izay tokony naseho tamin鈥檔y ambin鈥檔y iray kilasy. Navesatra ny atm么sfera, nisy tsy fahampiana finiavana teo amin鈥檔y tarikay, ary ahiahy sy tebiteby teo amin鈥檌reo mpihaino. Toy ny efa tsy maintsy hiafara amin鈥檔y tsi-fahombiazana ny zava-drehetra.
Nitebiteby fatratra aho satria nanakaiky ny anjarako tamin鈥檔y famelabelarana. Tampoka teo dia nanapa-kevitra aho ny hanala izany eritreritra izany tao an-tsaiko, ka hino fa niaraka tamiko Andriamanitra, ary miaraka Aminy dia afaka ny hanova ny atm么sfera nisy tao an-dakilasy tamin鈥檌o fotoana io aho. Koa dia nataoko izany ary nanomboka niteny tamin-kery sy fahatokiana aho ka tao anatin鈥檔y segondra vitsy dia niova tanteraka ny famelabelaranay. Afaka nampihetsi-po sy nahaliana ireo mpihaino aho ka namerina indray ny fifantohana tao anatin鈥檔y famelabelarana ary nizotra tsara ny zavatra rehetra. Tena traikefa nahafinaritra tokoa izany !
Fantatrao ve inona no nahatonga izany ? Satria na dia nanafika ahy aza ny tahotra sy ny fisalasalana dia tsy namela izany hanjaka tamiko aho fa nanapa-kevitra kosa ny hanamafy ny finoako ka handroso hatrany.
I Abrahama, izay nampanantenain鈥橝ndriamanitra zanaka lahy taona maro lasa, dia nanana ny antony rehetra tokony hahakivy. Toa nanohitra azy avokoa ny zava-drehetra :
- Efa ho zato taona izy.
- I Sarah vadiny dia 90 taona ary ambonin鈥檌zany dia momba izy.
- Ary ny tena mafy dia efa niandry an-taonany maro ny fahatanterahan鈥檔y fampanantenany izy, saingy tsy nisy na inona na inona nitranga.
Manambara ny Baiboly fa i Abrahama dia 芦 tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra 禄 (Romana 4:20).
Ry namako, fotoana hanatanjahanao ny tenanao amin鈥檔y finoana izao. Ny fahavalo dia miezaka manafika antsika amin鈥檔y fisalasalana sy ny fotoana tsy fahampiana fahatokisan-tena.
Saingy anio no andro mila handavanao izany eritreritra izany ka iarenanao amim-pinoana sy handroso amin鈥檔y fatokiana.