đ Mifaly ho anao Andriamanitra!
Misy ireo namana tena sarobidy tokoa.
I Jaona Mpanao Batisa dia nahafantatra mazava izay anjara sy tanjona ho tratrariny teto an-tany. Fantany mialoha fa ny hanomana ny fahatongavan’I Jesosy no asany, mba hanatanterahany ny asa fitoriana amin’ny fomba mahomby indrindra.
Rehefa nilaza taminy ireo mpianany fa handao azy mba hanaraka anâI Jesosy, dia novaliany tamina fanoharana iray izany manao hoe : âIzay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatraâŠâ (Jaona 3:29)
Mahafinaritra ery izany fanoharana izany! Tsy ilay sakaizanâny mpampakatra no hanambady. Nefa dia mifaly indrindra ho anâny soa ho azon’ny sakaizany, ka tsy tanany ny hafaliany. Tahaka ny mahazo anjara amin’ny soa azonâny sakaizany ihany koa izy. Toy izany indrindra ny fisehon’ny fitiava-namana tena mahatoky!
Ry namako, te hilaza aminao aho fa mifaly ho anao koa Andriamanitra. Mifaly amin’ny soa mahazo anao Izy, ary tiany raha hiaina karazam-pitahiana maro ianao, satria:
- Sarobidy Aminy ianao
- Manan-danja be ny fiainanao
- Malala eo Imasony ianao
- Ny fahasoavanao dia Fahasoavany
Andriamanitra dia ilay Sakaiza mety aminao indrindra! Lalina loatra ny fitiavany anao⊠eny, lalina loatra!
Anio, mankanesa eo anatrehany miaraka amiko, asandrato ny feonao ary misaora Azy noho ny fitiavany tapitrâohatra.
Araraoty ny fisakaizanao aminâAndriamanitra anio.