👊🏻 Esory ny enta-mavesatra!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 👊🏻 Esory ny enta-mavesatra!

Andro vitsivitsy lasa izay, nijery fandaharana iray tamin’ny fahitalavitra aho, nisy kandidĂ  iray nilaza fa ny taona 2020 no taona tsara indrindra teo amin’ny fiainany.

Gaga be ilay mpanolotra ny fandaharana, nilaza koa izy fa ilay valan’aretina no nanampy azy handinika ary ny elanelana ara-pahasalamana dia nanampy azy hanafoana fifandraisana sasany izay mety hanimba ny fiainany. Ny nahafahany niala tamin’ireny fifandraisana manimba ireny no nitarika fiovana goavana teo amin’ny fiainany. Tena zava-dehibe tokoa izany ka na dia teo aza ny korontana tamin’iny taona iny, dia mbola iny no taona tsara indrindra teo amin’ny fiainany.

Imbetsaka ny Baiboly no mampirisika antsika hanalavitra ny naman-dratsy, araka ny voalaza hoe : “Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin’ny olona foizina, Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an’ny ainao.” (Ohabolana 22 : 24 – 25).

Raha toa ka maniry hanana fifandraisana tena matotra amin’Andriamanitra ianao dia fantaro fa misy sasany amin’ireo mifanerasera aminao matetika izay tahaka ny vesatra ho an’ny fiainanao.

Ny Baiboly dia milaza hoe “…tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4 : 4).

Ny marina dia mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra tokoa ireo zava-misy na fandaharana na resaka na fomba fiaina eto amin’ity izao tontolo izao ity. Raha mandray anjara ny amin’izany koa isika dia lasa vesatra ho an’ny fiainantsika izany, ary manakana antsika tsy hanam-pifandraisana lalina amin’Andriamanitra, satria amin’ny alalan’ireny fitaomana ireny no anosehan’ny fahavalo antsika mba hanapa-kevitra ny hanota.

Ry namako, ankehitriny, esory ny enta-mavesatr’izao tontolo izao! Farano hatreo izay rehetra mitana anao ho tia izao tontolo izao ary halaviro ireo olona izay mitaona anao hanota. Mbola ho avy ny taona tsara indrindra ho anao miaraka amin’Andriamanitra, ary anio no andro iantombohan’ny fifandraisana matotra miaraka Aminy.

Olona miavaka ianao ho an’Andriamanitra satria Fahagagana ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!