🔎 Tsy very izany !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🔎 Tsy very izany !

Iray amin’ireo fanalahidy lehibe ho amin’ny fitomboana ara-panahy ny fankatoavana ara-panahy.
Jereo ny fomba anazavan’i Jesosy azy : « Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo » (Jaona 15:14). Mety ho manohina anao izany fanambarana izany, satria tsy mahazatra antsika ny miteny amin’ny namantsika hoe raha te ho namantsika izy ireo dia mila mankatoa izay lazaintsika aminy =)
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fankatoavantsika ? Saino ity : rehefa manome zavatra an’Andriamanitra ianao dia tsy very mandrakizay izany, fa averiny aminao amin’ny fomba feno Voninahitra. Manome fiainana rava Azy ianao, dia manome fiainana feno anao Izy. Manome fo maratra Azy ianao, dia averiny feno ny Hafaliany sy ny Fiadanany izany.
Rehefa manapa-kevitra ny hankatoa an’Andriamanitra ianao, dia mandray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra, dia ilay hitondra fitahiana be dia be ho anao. Fa ambonin’izany, rehefa misafidy ny hankatoa an’Andriamanitra ianao, dia mahafaly Azy indrindra izany. Tsy misy mameno hafaliana Azy mihoatra noho ny mahita ny fon’ny iray amin’ireo zanany vonona ny hanao izay rehetra angatahiny amin’izy ireo, noho ny fitiavany Azy.
Andriamanitra dia miseho amin’ny fomba manokana amin’ireo izay manana fitondran-tena mankatoa, ary manorina fifandraisana lalina amin’izy ireo Izy. Ny fanontaniana mipetraka dia ity manaraka ity : isan’izany olona izany ve ianao ?
Ry namako, ny fankatoavana dia varavarana idiran’ny fifandraisana lalina amin’Andriamanitra. Tsy misy zavatra lehibe kokoa azontsika iriana eto amin’izao tontolo izao mihoatra noho ny fisakaizana Aminy !
Mivavaka aho mba hihamafy isan’andro ny fisakaizanao amin’Andriamanitra

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!