Azo antoka 100%!
Mihevitra ny tenanao ho olona tsy miovaova ve ianao? Raha ho ahy manokana aloha dia miankina amin’izay zavatra resahina. Amin’ny zavatra sasany, tena tsy miovaova aho, fa amin’ny hafa… mbola mila ezaka be dia be! =)
Ny finamanana dia mitaky tsy fiovaovana. Jereo ity andinin-teny malaza ao amin’ny Baiboly ity: « Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana. » ( Ohabolana 17:17).
Ny fitiavana no fototry ny tena finamanana rehetra, ary tsy tokony hiova izany fitiavana izany. Tsy azo atao ny manana finamanana lalina amin’ny olona iray izay tia anao amin’ny andro sasany nefa mankahala anao na tsy miraharaha anao amin’ny fotoana hafa!
Io fitiavana tsy miovaova sy azo ianteherana amin’ny fotoan-tsarotra io, no mitarika antsika handray ny namana sasany ho toy ny fianakaviantsika mihitsy.
Andeha hodinihintsika ity andalan-tsoratra masina ity mba hisaintsainana ny fiantraikan’izany eo amin’ny finamananao amin’Andriamanitra :
- Izy dia fitiavana, ka ho tia anao mandrakariva Izy, amin’ny fahatanterahana!
- Tsy sakaizanao ihany izy (Hebreo 2:12), fa Rainao any an-danitra koa, ary miahy anao.
- Izy no momba anao mandrakariva, na amin’ny andro mahafaly na amin’ny andro mahory, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao (Matio 28:20).
Ry namako, Namana azo itokisana Andriamanitra, ary tsy miova ny fitiavany! Na inona na inona toe-javatra izay misy anao dia mifikira Aminy! Namanao Izy, ary maniry ny tsara indrindra ho anao. Koa mitsahara eo amin’ny Fanatrehany!
Fitahiana tsy tapaka ho ahy ianao, ry namako.